Miala Rajoelina. J- 60 – 5 taona tsy mahavaha ny olan’ny jiro sy rano

Andry Tsiavalona

Afaka 60 andro sisa (J- 60) dia hametra-pialana ny filoha Andry Rajoelina, raha hirotsaka hofidiana ho filohampirenena indray. Anisan’ny nanamarika ny fitondrana ny tsy ahavahany ny olan’ny jiro sy rano saika manerana ny Nosy mihitsy nandritra izay 5 taona latsaka izay.

Efa ho 5 taona tokoa izao no nipetrahan-dRajoelina Andry Nirina sy ireo mpiaradia aminy jamba sy marenina manoloana ny aretina maro mikiky ny sehatra rehetra eto amin’ny Firenena. Kikisan’ny aretin’ny fahantrana ny sivifolo isanjato maherin’ny vahoaka Malagasy, ka tsy mahavidy ny sakafo sahaza azy intsony. Bokan’ny trosa ireo mpampianatra an-tselika (vacataires) eny amin’ny Anjerimanontolo, satria tsy voaloan-dRajoelina Andry Nirina ny karamany ary mifanindry an-dàlana amin’izany ny tambikaraman’ny mpitsara sy mpiandry amin’ny fanadinana bakalorea. Efa an-taonany ihany koa no tsy voaloan’ny fitondrana ny karaman’ireo orinasa aman-jatony maro nanamboatra na nikojakoja làlana, satria tsy hita trasy na nanjavona ny vola tao amin’ny “fonds d’Entretien Routier”, izay novaina anarana ho “Fonds Routier”. Nopotehin-dRajoelina Andry Nirina sy ny governemanta ny orinasam-pirenena Air Madagascar, ka nametrahana ny namana mpiara misaosy ho mpitantana ny orinasa Madagascar Airlines, izay sahirana tokoa amin’izao fotoana izao satria bokan’ny trosa ihany koa. Tsy vitan’izay, fa nampidiran-dRajoelina Andry Nirina viriosy avokoa ny sehatra rehetra, ny viriosin’ny “velirano” no nafafiny ka tsy nisy namaka na iray aza. Anisan’ny velirano nataon-dRajoelina Andry Nirina ny fanamboarana ny Làlampirenena faha-13 satria angamba io no mifanandrify amin’ny laharana nomena azy tamin’ny fifidianana ny taona 2018. Tsy vita izany Làlampirenena izany kanefa matikambo izy, fa tsy hanao politika intsony raha tsy vita io ka tsy maninona izany fa efa tsy afaka hanao politika eto Madagasikara intsony izy, satria efa hody any Lafrantsa tanindrazany.

Ny tena aretina nafafin-dRajoelina Andry Nirina eto amin’ny Firenena ny viriosin’ny “delestazy”, izay nanaovany velirano fa manana ny vaksiny fanefitr’izany izy ary hampitomboiny 400 megawatts ny 400 megawatts efa nisy talohan’ny 2018. Porofon’izany dia lanin’ny viriosy ny tetikasa Sahofika sy Ivolobe izay tokony namokatra herinaratra azo avy amin’ny tohadrano (énergie hydroélectrique) izay tsy ilàna solika. Dimy taona izao no niara-niaina tao anatin’ny fahatahan’ny jiro tsy nisy fitsaharana sy nitombo andro aman’alina manerana ny Nosy na dia tsy nisy fitsaharany koa aza ny fanoloana ny minisitry ny angôvo sy ny tale jeneraly ny orinasal Jirama. Na nisy aza ny fampanantenana fa hifarana ny delestazy nialohan’ny fankalazana ny fetin’ny 26 jona farany teo dia nandalo fotsiny izany ka niverina indray ary niha-mafy. Notendrena ho Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny Jirama ny tale jeneralin’ny SPM. Tsy nampiova na inona na inona izany kanefa dia notendrena ho minisitry ny Angôvo sy Akoranafo indray. Tsy mazava ary tsy hazavaina mihitsy na mbola tale jeneralin’ny SPM sy Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny Jirama, no sady minisitra ity olona mahazo avarapatana ao an-dapa ao ity. Nanaovana dokambarotra goavana ny “jiro mora” kanefa ny efa manana jiro ao an-tokantranony sy ny mivelona amin’ny fampiasana rianaratra aza sahirana noho ny delestazy tsy misy fiafarany sy maharitra ora maro.

Mitohy ny tetikasa teleferikan’ny filohan’ny Repoblika, na dia tsy eken’ny mpivarotra sy ny mponina amin’ny toerana handalovan’izany fitaovam-pitaterana izany, ka hametrahana andrim-by aza. Tsy vitan’izay fa na ny filoham-pirenena frantsay aza dia nanakiana mafy ity tetikasa ity, satria araka ny filazany, izay marina tsy iadian-kevitra, dia “tsy loharanom-bola hampiakatra ny harinkarena faobe sy hampidi-bola ao amin’ny kitapombolam-pirenena sady tsy hiteraka asa ho an’ny mponina”. Niseho tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina ny minisitry ny Serasera sy ny Kolotsaina ny alakamisy teo, ka nanambara fa tsy maintsy hahitana vahaolana ny resaka delestazy kanefa tsy ho rahampitso izany na afaka telo volana izany na dia miantso “manager” hanarina ny Jirama aza izao fitondrana Rajoelina Andry Nirina izao. Tsy misy mahay fanova-maso (magie) eto, ka ny zavatra tsy vita tao anatin’ny 5 taona dia ho tanteraka ao anatin’ny 5 volana.