EDITO 11 Jolay – Bus class, bus 1000, teleferika – Fitaterana tsy mahavaha olana sy fampandriana adrisa

Beharo

Hita sy tsapa tamin’ireo mpandeha mifamezivezy eto an-drenivohitra sy ny manodidina, fa tsy ampy vola ny ankamaroan’ny olona, ka dia aleony mandeha an-tongotra hatrany toy izay mandeha fiara fitaterana raha mbola mety sy azo atao. Tsotra ny nambaran’ny zokiolona iray sendra ny gazety teo Anosy, nanao hoe: ny mandeha an-tongotra sady fanatanjahantena, no fitsitsiana ny vola kely ananana, nefa mba haingana ihany koa raha ny fitohanana etsy sy eroa no jerena, satria avy eny Analakely izy vao maraina tokony ho tamin’ny 9 ora teo, nefa izy indray no tonga aloha teny amin’ny fitsarana Anosy noho ny fiara fitaterana taksibe iray raha niara-niala teo anoloan’ny Fjkm Analakely teo.

Nanamafy ity rangahy, fa fatiantoka ara-bola sy ara-potoana ireny raha mbola mikiry mandeha fiara fitaterana na taxi hatrany izy raha izany, hita porofo avokoa izany rehetra izany. Nisy koa ramatoa iray tafaresaka tamin’ny mpanao gazety teo Anjoma teo, nilaza fa asa fitaterana tsy mahavaha olana, tsy misy tombontsoa raha iny “bus class ” iny, satria raha miala eo Analakely ka ho eny Ilafy Avaradrano izy sy ny zanany, ka handeha iny fiara lazaina fa manara-penitra iny, dia efa ahitana elanelany 1500 Ar sahady ny saran-dalana tokony haloa, raha oharina amin’ny fitaterana tsotra, izany hoe: raha manao miverin-droa amin’ny fiara taksibe tsy class izy mianaka, dia mba 1400 Ar fotsiny ihany, nefa raha “bus class” io no nandehanana, dia 6000 Ar sahady.

Teo dia nanamarika ity ramatoa sendra ny mpanao gazety, fa mbola ho mafy noho ny mafy ny vola hivoaka, lany, raha iny teleferika iny koa no handehanana, satria, ny fotoana hakana azy dia efa olana ho anay eny Ilafy ohatra, sarotra ny haka azy eny Ambatobe na Analamahitsy raha ho eny Soarano na Anosy ohatra, ho very fotoana, lany vola, ka dia aleo mandeha taxi-moto indray raha voatery. Tsorina fa raha 4000 Ar ny saran-dalana teleferika ohatra, dia ho henjana ny vola lanin’ny tokantrano iray raha izany, aiza koa ireo bus 1000 nambara fa ho avy eto, sa atao fanaovana propagandy indray amin’izao fifidianana ho avy izao? izay tsy mahavaha olana sy fampandriana adrisa fotsiny ihany raha jerena.