ILAY FIANJERANA MIEZINEZINA

Mihamaizina ny sary, miharatsy ny tantara,
Tena tsy avotra intsony ny filohan’ny mapara.
Hadisoam-panantenana, izay no hita sy tsikaritra,
Fa tsy voaongana indray ireo olon’ny « birao maharitra »!

Tena tsy nahomby intsony ireo karazam-panambazana
F’efa tonga kosa angamba ny fotoana fifohazana,
Ka dia nisy, tena nisy tamin’iretsy maro an’isa
No indreny fa nandà ny rodobe fanaon’ny gisa!

Maina molotra tanteraka ireo nikasa ny hanongana,
Satria noheveriny ireo « efatra » fa dia toy ny « sary vongana »
Ka ho mora ny hibata sy hanongotra azy ireo
Rehefa betsaka ny saosy ka mitambatra ny feo!

…Namono tsy nahafaka aina ka ny tohiny no lalina,
Fa vao mainka ho tena maizina sy hikitroka ny alina.
Ireo olo-nianteherana efa tena tsy hay fehezina,
Ka tsy ho ela dia hiseho ilay FIANJERANA MIEZINEZINA!

TSIMIMALO (03-07-23)