Tsy rariny nataon’ny PAC Mahajanga – Tsy niasa avokoa ny vadintany manerana ny Nosy omaly

Ny Valosoa

Tsy niasa avokoa ny vadintany rehetra manerana ny Nosy omaly, noho ny tsy rariny nataon’ny PAC Mahajanga, nampiditra am-ponja an’i Me Kanto Rakotonantoandro. Tsy rariny ny nataon’ity fitsarana miady amin’ny kolikoly ity, hoy ireo vadintany manerana an’i Madagasikara niray feo. Nanatanteraka didim-pitsarana i Me Kanto, no nolazaina fa nisy resaka kolikoly tao anatin’izany, izay zavatra tsy mitombina.

Nisy mpivady nisaraka, nivoaka ny didim-pitsarana tamin’izany fa tokony handoa « pension » amin’ilay ramatoa ilay rangahy. Tsy niatrika io fotoam-pitsarana io ilay lehilahy araka ny vaovao voaray. 2 taona taty aoriana vao nihevitra haka ny « pension-ny » any amin’ilay rangahy amin’izay ilay Ramatoa, ka naka an’i Me Kanto hanatanteraka izany. Tsy nety nanefa izany ilay rangahy, nisy ny fakana zavatra na saisie nataon’ity Ramatoa vadintany ity, tany amin’ilay lehilahy ihany anefa aloha no napetraka io zavatra natao saisie io. Tao anatin’izany no nitory tany amin’ny PAC Mahajanga ilay lehilahy, nilaza fa nisy resaka kolikoly tamin’izao fakana ny fananany izao.

Zavatra izay tsy mitombina araky ny voalazan’ireo vadintany, raha misy raharaha mahakasika vadintany hoy izy ireo, tsy ny PAC no tokony hisahana izany fa tokony ho ny « parquet général », satria ny asana vadintany dia miankina amin’ny ministeran’ny fitsarana, amin’ny maha mpiasam-panjakana azy ireo koa. Tsy niasa avokoa noho izany omaly, ireo vadintany sy ireo clercs rehetra manerana ny Nosy, ho firaisankina tamin’i Me Kanto. Mbola ho tantara mitohy izao raharaha izao.