Miala Rajoelina. J- 65 – Filoha vazaha, nanafina izany tamin’ny mpifidy

Andry Tsiavalona

Mbola adihevitra tsy misy fijanonany eto amin’ny Firenena ny momba ny fifidianana, roa volana mahery kely, 65 andro (J- 65), mialohan’ny tsy maintsy hametrahan-dRajoeina Andry Nirina fialàna raha hirotsaka kandidà na ho afaka hirotsaka izy raha sahy hamoaka didy ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, noho ny maha vazaha frantsay azy, satria efa nanary ny zom-pirenena malagasy izy. Ny mampisalasala ny olompirenena na mpanao politika na fiarahamonim-pirenena dia ny fizotry ny fanomanana ny fifidianana eo amin’ny lafiny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy sy ny tsy fahampian’ny vola ary ny tsy mbola namoahan’ny governemanta didim-panjakana manamafy ny daty natolotry ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI) hatramin’izao.

Etsy an-kilany koa dia na dia mitabataba etsy sy eroa aza ny mpanohana an-dRajoelina Andry Nirina, fa tsy maintsy ho lany izy amin’ny fifidianana dia tsy mbola nisy sahy nanambara fa ho kandidà izy. Na inona na inona koa fiarovan’ny ao an-dapa fa rà malagasy no mikoriana ao anatin-dRajoelina Andry Nirina dia toy izany daholo ireo Malagasy mizaka ny zom-pirenena vahiny, saingy tsy azo ekena raha filoham-pirenena no vazaha sady nanafina izany tsy ho fantatry ny vahoaka nifidy azy, satria na tiana na tsy tiana dia mpanjanaka ary mpamita-bahoaka izy tao anatin’izay efatra taona sy tapany mahery nitondrany izay.

Ny zava-doza mitatao eo ambony lohan’ny Malagasy ihany koa dia ny fanambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, fa efa tafapetraka ao amin’ny birao maharitra ny tolo-dalàna hanitsiana ny andininy faha-42 ny Fitsipika Mifehy ny zom-pirenena (Code de nationalité). Mbola tsy miteny ireo manampahaizana momba ny lalàna momba izany toe-javatra izany kanefa azo inoana kosa, fa tsy maintsy hisy hijoro izy ireny satria misy ny manam-panahy sy sahy mijoro amin’ny fahamarinana ary mamotsipotsitra ny fanitsakitsahana ny lalàna manankery, fa miandry ny fotoana mahamety izany. Iaraha-miaina tokoa mantsy ny antsojay sy fanenjehana ataon’ny fitondrana amin’ireo sahy mampaneno lakolosy sy mamotsipotsitra ny fivilian-dàlana fanahy iniana ataon’izao fitondrana izao, ka tsy maintsy alaina ambony alaina ambany izay fomba entina manao izany.

Efa izao tontolo izao amin’ny alàlan’ny ny tambazotran-tserasera no mamaky bantsilana ny maha vazaha frantsay an-dRajoelina Andry Nirina, ka fotoana kosa izao ho an’ny olompirenena andraisana andraikitra hanoherana ny fitadiavana hirika hitazonana na hanekena ny firotsahany ho kandidà amin’ny fifidianana Filoham-pirenena ho avy izao. Fantatra amin’ny ataony sy ny hetsika karakarainy etsy sy eroa na nangatahin’ireo mpiaradia aminy, ireo mety ho kandidà amin’ny fifidianana Filoham-pirenena, fa tsy mbola nisy sahy nanambara amin’ny fomba ofisialy ny firosoany amin’izany. Ny Filoha Ravalomanana Marc, no efa namaly ny fangatahan’ny mpikambana ao amin’ny antoko TIM fa hirotsaka. Ny vina voarakitra ao anatin’ilay « Madagasikara Action Plan » nohatsaraina no hoentiny mampandroso ny Firenena ary nanao antso avo izy, mba tsy hisy ny fanilikilihana sy fanakatonam-baravarana, fa hiray hina ny Malagasy amin’ny fanatanterahana ny « MAP PLUS ».

Raha resaka fifidianana ihany dia misy roapolo mahery ny kaominina tsy manana ben’ny tanàna satria nofoanana ny fifidianana tamin’ireo kaominina ireo ary manitsakitsaka lalàna foana izao fitondrana izao, satria tsy nataony mihitsy ny fifidianana kanefa lany amin’ity taona ity koa ny fepotoana hiasan’ny ben’ny tanàna. Volana vitsy lasa izay dia nanambara Rajoelina Andry Nirina, fa manao fanapariaham-pahefana tena izy (décentralisation effective), tsy toy ireo Filohampirenena teo aloha. Nanaitra anefa omaly fa izay vao tena hiroso haingana amin’ny fitsinjaram-pahefana indray, hono, izao fitondrana izao. Tsy manjaka eto ny fitsinjaram-pahefana raha mbola governora tendrena ny Lehiben’ny Faritra fa tsy olomboafidy, ary raha tsy misy ny rafitra Filankevitry ny Faritra, torak’izany koa ny eo anivon’ny Faritany. Ka hihazakazaka ho aiza ary inona indray no ao ambadik’izany hevitra naroson-dRajoelina Andry Nirina sy ny forongony izany? Heverina fa ho tambatambazana sy ho tampena-maso amin’ny vola ambonin’ ny nanomezana kodiaran-droa indray ny ben’ny tanàna rehetra ka hiaro sy hanohana ary hangataka azy hirotsaka kandidà, satria samy olomboafidy sady samy rà malagasy no mikoriana ao anaty.