Fampianarana – Fantaro ny tetiandro amin’ny taom-pianarana 2023-2024

Aly

Nivoaka izao ny tetiandro amin’ny fampianarana ho an’ny taom-
Pianarana vaovao ho avy 2023-2024. Navoakan’ny ministeran’ny
Fanabeazam-pirenena.

Hanomboka ny 04 septambra 2023 ho avy izao izany taom-pianarana vaovao izany ary hifarana ny 28 jona 2024.
Ny 2 volana voalohany hanomboka ny 4 septambra ka hatramin’ny 27 oktobra 2023.
Ny 2 volana faharoa, hanomboka ny 6 novambra ka hatramin’ny 22 desambra 2023.
Ny 2 volana faha-3, hanomboka ny 8 janoary 2024 ka hifarana ny 1 martsa 2024.
Ny 2 volana faha-4, hanomboka ny 11 martsa 2024, ka hatramin’ny 26 aprily 2024.
Ary ny 2 volana faha-5, hanomboka ny 06 mey ka hatramin’ny 28 jona 2024.
Ny andron’ny sekoly hatao ny 28, 29 febroary ary ny 1 martsa.
Ireo fialan-tsasatra :
28 oktobra ka hatramin’ny 5 novambra 2023.
23 desambra 2023, ka hatramin’ny 07 janoary 2024.
2 martsa 2024, ka hatramin’ny 10 martsa 2024
27 aprily 2024, ka hatramin’ny 5 mey 2024
Ary fialan-tsasatra lehibe, hanomboka ny 29 jona 2024.