FFKM – Fihaonambem-paritra 5 amin’ny 35 sisa tsy vita

Niaina

Finaonambem-paritra 5 amin’ny 35 sisa tsy vita amin’ny fihaonambem-paritry ny FFKM : Fiombonamben’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara.

Ho an’ny FFKM, mizara faritra miisa 35 ny azy ireo no hamaritany an’i Madagasikara. Omaly alarobia, tany Tsiroanomandidy faritra Bongolava no nandray izany fihaonambem-paritra izany. Araka ny fantatra, amin’ny faran’ny volana aogositra, na ny voalohandohan’ny volana septambra ho avy izao, no hanatanterahan’ny fihaonambem-pirenen’ny FFKM ity. Mandray anjara amin’ny raharaham-pirenena ny FFKM ankehitriny, anisan’ny voaresaka mandritra ny fikaonandoham-paritra izao, ny momba ny resaka fifidianana: ny olana amin’izany, sy ny fanatsarana tokony hatao.

Hanara-maso izany fifidianana ho avy hatao eto amintsika amin’ity taona ity izany koa ny FFKM. Havondrona amin’ny fihaonambem-pirenena io avokoa ireo fehin-kevitra rehetra azo mandritra ireo fihaonambem-paritra miisa 35.