EDITO 6 Jolay – Andrasana ny didim-panjakana manaika ny mpifidy

Isambilo

Andrasana fatratra amin’izao fotoana ny didim-panjakana havoakan’ny governemanta manaika ny mpifidy handatsa-bato amin’ity taona ity, indrindra ny momba ny fifidianana filohampirenena. Efa ho efa-bolana mahery ny CENI: vaomireram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana no nanolotra soso-kevitra ny amin’ny daty hanatanterahana izany fifidianana filohampirenena izany, ary efa nankatoavin’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) izany. Hatramin’izao anefa mbola tsy namoaka ny daty tena ofisialy ny fitondram-panjakana. Nanambara ny ministra tompon’andraikitra, ny ministry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana afak’omaly, fa tsy ho ela intsony dia hamoaka izany datim-pifidianana izany ny governemanta.

Efa vonona amin’ny fanampiana ny mpiara-miombon’antoka, amin’ny alalan’ny « basket-fund ». Tsy ny mpanao politika, sy ny antoko politika ihany no miandry izany fanaikana ny mpifidy handatsa-bato izany, fa na ny fiarahamonim-pirenena, eny ny olon-tsotra dia efa samy miandry izany daty izany avokoa. Io no fotoana iray hitsaran’ny vahoaka tompom-pahefana ny mpitondra tsy mahomby amin’izao fotoana, izay tarihan’ny filoha vazaha Andry Rajoelina. Noho ny finiavany naka ny zom-pirenena Frantsay, misy ireo mihevitra fa tokony tsy havela hirotsaka hofidiana intsony izy amin’ny fifidianana ho avy. Misy ihany koa anefa ireo nanambara fa tokony havela ihany izy hifaninana amin’izany fifidianana hatao amin’ity taona ity izany, ka eo no hamaizan’ny vahoaka mpifidy azy amin’ny alalan’ny fifidianana, satria filoha tsy mahavita azy, mpamitaka sy mpandainga ary mpampijaly vahoaka koa. Misy ny milaza fa mbola hangala-bato izy ireo, heverina fa efa samy mailo avokoa ny rehetra amin’izao fotoana, fa tsy toy ny tamin’ny 2018 intsony, ka ho voasoroka amin’ny fomba rehetra izay mety ho endrika fangalaram-bato rehetra.