AMPY IZAY NY AMIN-DRAINILAINGA

Heveriny ho azo vidiana daholo,
(Fa toy ny entam-barotra ny olon-drehetra!),
Ka io Rainilainga ilay mpanao bontolo,
Fa mbola manohy irony fomba voretra!

Tambazany mafy ireo olom-boafidy:
Mpitsara, ary hatramin’ireo be girady,
Ka maro no roboka sy efa voavidy
Amin’ny vola, efatrefatra, tongo-malady!

Mandeha ihany koa ny fampanantenana
Amin’ny endriny maro sy saro-tononina,
Nefa mihamaizina ny eto an-tanàna
Ary koa miharatsy ny fiaraha-monina!

Hifarana ihany ny taom-piasany
Fa volana roa sisa ny azy dia vita,
Kanefa izy mbola miketrika hatrany
Ny mbola hametrahana tetezamita!

…Ka raha mbola misy amintsika eto an-dasy
Ny saina, ny fo, ny fanahy malagasy,
Dia ‘ndeha re hivondrona, hiara-manainga:
Hofaranana hatreo ny hadalan-dRainilainga!

DADAN’i RIANA (02-07-23)