Fanadinam-panjakana BEPC – Malagasy sy SVT no nisantarana ny fanadinana omaly

Stefa

Malagasy sy SVT, na siansa momba ny zava-manan’aina sy ny tany no nisantarana ny fanadinam-panjakana BEPC nanomboka omaly manerana an’i Madagasikara. Miisa 1072 ny foibem-panadinana manerana ny Nosy, ary mpiadina 305.836 no tokony hiatrika an’izany fanadinana izany; 47 amin’ireo mpiadina no mila fanomanana manokana, mba hahafahany misitraka ny zony feno tahaky ny ankamaroan’ny ankizy Malagasy mpiadina rehetra.

Ny 149.956 amin’ireo mpiadina ireo dia nisafidy ny « sokajy A » ary ny 155.880 kosa dia nisafidy ny « sokajy B ». Ny taranja Matematika sy Frantsay indray no hatrehan’ireo mpiadina anio talata. Rahampitso ny Tantara sy Jeografia sy Fizika Simia. Hamaranana ny fanadinana ny alakamisy maraina izao ny taranja Anglisy, sy ny taranja Allemand na Espaniôla. Ny fidirana ny maraina amin’izao fanadinam-panjakana BEPC izao, ny maraina: amin’ny 7h30, ny tolakandro kosa: amin’ny 1 ora sy sasany.