ENAM – Mpianatra 62 mianadahy niofana tany amin’ny ACMIL

Niaina

Mpianatra miisa 62 mianadahy avy amin’ny ENAM no niofana tany amin’ny ACMIL, na Akademia Miaramila any Antsirabe. Mpianatra 62 mianadahy avy amin’ny “Andiany MAHOMBY” ao amin’i ENAM (Ecole Nationale d’Administration de Madagasikara) Antananarivo, no nanao fivahinianana sady fiofanana tao amin’ny ACMIL Antsirabe nanomboka ny 21 ka hatramin’ny 30 jona 2023 lasa teo.

Fiofanana natao hananan’izy ireo fahalalàna ankapobeny mahakasika ny Foloalindahy sy ny fiainana maha-miaramila, ary koa mba hananan’izy ireo toe-tsaina vonona ny hiatrika ny zava-misy rehetra, ary indrindra indrindra, mba hananan’izy ireo toe-tsaina ho Mpitarika sy Mpifehy rahatrizay any amin’ny sehatry ny asam-panjakana.

Tamin’ny fotoana nahatongavany tao amin’ny Sekoly dia nisy ny fandraisana azy ireo tao amin’ny efitrano fivoriana izay nataon’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Sekoly, notarihin’ny Jeneraly PIKULAS Démosthène, Komandin’i Akademia Miaramila. Nahazo taratasy famantarana, ny fahavitan’izany fiofanana izany izy ireo tamin’ny fiafaran’ny fiofanana.