EDITO 4 Jolay – Fitondrana Rajoelina – Mitazam-potsiny ny olan’ny sehatry ny fampianarana

Sôh’son

Miditra amin’ny fanadinam-panjakana faharoa ankehitriny ny fampianarana, ny Bepc, taorian’ireo kilonga madinika niatrika ny Cepe. Mirary soa azy ireo sy ireo mbola hiatrika ny fanadinana bakalorea. Etsy ankilan’izany, ireo ray aman-drenin’izy ireo, dia iharan’ny darok’ireo mpivarotra mpanararaotra amin’ny vidin’entana.

Tsikaritra mantsy, indrindra tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fampiakarana ny vidin’ireo fitaovam-pianarana ampiasaina amin’ny fanadinana. Mazava loatra fa tratry ny kenda roroky ny fidangan’ny vidim-piainana izy ireo. Etsy ankilany ny fiakaran’ny entana fanjifa andavanandro, toy ny sira vovony, ohatra, izay niakatra ho 300 Ar indray koa izao, ny atody mananika ny 800 Ar ny vidiny; etsy andaniny ny fiatrehana ny hahatomombana ny fanadinan-janany mba hahazo vokatra tsara, kanefa izao araraotin’ny mpivarotra izao indray koa, ankoatra ny zavatra tsy maintsy vidiana na ny saran’ny fivezivezena na koa ny fandaniana tsy azo ialàna samihafa.

Araka izany dia sahirana ireo ray aman-dreny maro amin’izao fotoana izao. Miharihary ihany koa, izay iaraha-mahita, fa tsy mihevitra ny vahaolana ny amin’izany izao fitondrana Rajoelina izao. Izy rahateo, iaraha-mahalala, fa tsy manana sy tsy mahita izay vahaolana mahomby hatrany, indrindra eo amin’ity sehatry ny fampianarana ity. Kajikajy politika hatrany no betsaka, io ny azy no maika, vao ny fitsinjovana izay hahasoa ny vahoaka. Izy rahateo efa iarahan’ny rehetra mahalala izao ny momba azy rehefa nivoaka ny resaka fizakany ny zom-pirenena frantsay.

Ireo ray aman-dreny manan-janaka mampianatra, tsy ho ela ihany koa dia efa hiatrika indray ny fampidirana ny zanany hianatra. Ny fitaovam-pianaran’ny mpianatra sy kojakoja maro isan-karazany, dia tsy maintsy omanina mialoha. Ny saram-pisoratana anarana aza takian’ny sekoly mialoha, ary tsy amin’ny tsy miankina ihany, fa na any amin’ny fanjakana ihany koa aza dia misy vola tsy maintsy aloha mialoha. Resaka fotsiny sy miendrika famitahana ny amin’ny hoe fampianarana maimaimpoana, fa misy vola tsy maintsy aloha. Misy fiantraikany any amin’ny fampidirana an-tsekoly ny ankizy izany rehetra izany. Tsy manana vahaolana mazava ny amin’izany anefa izao fitondrana Rajoelina izao, ary tsikaritra tato anatin’ny efa-taona izany. Niharitra ny mafy sy niady irery ireo ray aman-dreny mampiana-janaka. Ny sehatry ny fampianarana tsy vitan’ny manorina sekoly fotsiny, na ihany koa nisehosehoana ho nampiditra ho mpiasam-panjakana ireo mpampianatra Fram, fa olana maro samihafa no mbola mitambesatra ao anatiny. Tsy mahazo salan’isa Andry Rajoelina sy ny fitondrany raha eo amin’ny sehatry ny fampianarana.