TGV: TENA GASY SA VAZAHA ?

Tena Gasy sa Vazaha? izany no malaza indray
Mikasika an’ity filoha izay tsy hay na hoe frantsay.
Akaiky fetim-pirenena no indro itrangan’izany,
Inoana fa tsy tonga ho azy na kisendrasendra ihany!

Tena Gasy sa Vazaha? izany no malaza indray.
Manjary vaovao mafana ka ny tohiny tsy hay,
Satria dia efa tena miely sady tena miparitaka,
Ka tsy vitsy no mahatsiaro ho voasoloky sy voafitaka!

Tena Gasy sa Vazaha? izany no malaza indray,
Momba ilay mpanao haiady izay mirehaka ho mahay.
Sao kianja fampiadiana akoho no tena kianja nandreseny,
Ary akoho vazaha ity izy fa tsy gasy ray sy reny?

Tena Gasy sa Vazaha? izany no malaza indray.
Ny tohiny no hanambara fa tsy ho ela dia ho fay
Ity ilay tary mpieboebo nefa tena tsisy hapoaka,
F’efa atao fanalana andro, fihomehezan’ny vahoaka!

IRINA HO TAFITA (23-06-23)