Malagasy Collectif – 6 jolay – Hiverina eny amin’ny fokontany indray ny lisi-pifidianana – Mbola manentana ny rehetra

Stefa

Hiverina eny anivon’ny fokontany manerana ny Nosy indray ny lisi-pifidianana ny 6 jolay ho avy izao. Noho izay antony izay, mbola manentana ny rehetra amin’ny resaka lisi-pifidianana sy fifidianana ny Malagasy Collectif any dilambato:

« Olompirenena ianao, manana zo ary manana adidy ihany koa. Hanomboka ny 06 JOLAY izao àry dia miverina any amin’ny biraom-pokontany ny lisitra, ka:

  • Misoratra anarana aho raha tsy mbola nanao izany.
  • Manamarina ny anarako aho.
  • Mametraka fitarainana aho raha tsy tafiditra izany.
  • Manao fanoherana aho raha tsinontsinoavina ny zo-ko.
  • Olompirenena vanona ianao, mandraisa andraikitra mba tsy ny hafa no hanao izany amin’ny toeranao, » hoy ny fanambarana.