EDITO 1 Jolay – Fidiram-bola tsy milamina – Fiainam-pianakaviana mikorontana

Beharo

Re tato ho ato, fa mikorontana ary tsy mandeha amin’ny laonina ny fiainam-bahoaka araka ny feo sy hafatra voarain’ny gazety. Tsorina hoy izy ireo, fa volana jona hafakely tokoa nefa mba tokony hanana ny lazany iny volana mamarana ny tapa-taona 2023 iny, izay nandrasan’ny maro, fa mba hahitana tombontsoa nefa dia nikororosy fahana hatrany raha ny vaovao hita sy re teny rehetra teny. Teo amin’ny lafiny fiaraha-monina, dia niha-nidangana ny vidim-piainana, nisondro-bidy avokoa ny entam-barotra isan-karazany ilaina andavanandro, ka tsy ampy nividianana sainam-pirenena intsony ny vola teo am-pelatanana na dia te-hanao izany aza, ka zary lasa sadasada ny fotoam-pankalazana ny fetim-pirenena. Tsy nisy sakafo sahaza ho an’ireo maro anaka toy taloha intsony, satria ny akoho iray aza efa 2 alina Ar vao mahazo izay metimety, ny vorontsiloza dia tsy latsaky ny 120000 Ar intsony koa, mba hanaovana fiarahan-komana hanamarihana ny fetim-pirenena 26 jona na ilay faha-63 taonan’ny fahaleovantena, ka dia natao tamin’ny fomba tsotsotra fotsiny ihany.

Nisy ireo zanaka na zafikely mba afa-panadinana CEPE hoy ny hafa taminay, nefa dia nodian-tsy hita, satria tsy misy na kadoa kely na anjara azo atolotra azy ireny, mba ho fampaherezana sy ho tsiahy ara-tantaram-pianakaviana, noho ny vola tsy ampy sy ny fiainana efa tsizarizary tato ho ato. Teo koa ireo nilaza fa ny jiro sy rano, dia toa vonjy tavanandro hatrany, satria, ny 25 sy 26 jona fotsiny ihany, no mba nisy noraisina, fa ny ankoatr’izay dia ny omaly tsy niova ihany, tapatapaka ny jiro, simba ny fitaovana, ny rano dia zara raha mandeha, tsy afaka nisasa sy nidio na nanadio ara-dalàna. Ny arendrina sy ny kilalao mora vidy sasantsasany moa dia fankalazana 2 alina fotsiny hatrany, fa tsy nisy tohiny intsony raha vao nigadona ny andro talata 27 jona, izay mbola tokony hampiasaina hitsinjovana ny alarobia 28 jona fetin’ny silamo andro tsy fiasana nefa mba handraisan-karama hoy ny maro.

Ry zareo mpitondra fahefana aza moa hoy ny vahoaka, dia efa tandrevaka tanteraka, satria tsy tontosa amin’izay tokony hanaovana azy ny fihaonana tokony hatao eo amin’ny roa tonta: ny governemanta sy ny Antenimierampirenena, mihemotra tsy ara-drariny ny fotoana ka tojo amin’ny hala-tsonia vitsivitsy, sy fitaka ifanaovan’ireo samy solombavambahoaka, ka lasa sadasada.

Raha fintinina hoy ny maro, ratsy ny salan’isa ny fotoam-pankalazana, mbola hafa ny “fahiny”, natao am-pitiavana sy finiavana tanteraka ny fotoam-pankalazana, satria mbola ampy vola ny ankamaroan’ny vahoaka, ka tsy nisalasala ny nividy saina eny an-tsena, nitady izay sakafo tsara sy mahasoa, na kilalao ho an’ireo taranaka ary koa nahavita nivoaka naka rivotra kely, mba ho fankalazana ilay 26 jona hatrany. Na izany na tsy izany, daty tsy hay adinoina ara-tantara ho an’ny mpiray tanindrazana foana ny fetim-pirenena 26 jona.