‘ZAHAY TSY MILA TANALAHY

Tonga ny ora ka sahia mijoro indray ry malagasy,
Tsy holalaovin’ny vazaha dia ny vazaha taratasy,
Fa safidiny ny niofo hanjary ho lasa frantsay,
Ka tsisy hanaiky intsony koa ny mbola hobaikoiny indray!

Eny na nafeniny aza ity fiofoana feno fitaka,
Vetivety ny vaovao dia indro tena niparitaka.
Nisafoakan’ny hatezerana ireo ilay hoe tia tanindrazana,
Ary hita ho niakatra afo sady tena nihidy vazana!

Hafatra ho anao mpitarika amin’ny sehatra rehetra :
Madagasikara afaka, izay no ataovy ho tarigetra.
Madagasikara sambatra, miaina anaty fahafahana,
Izay no tano f’efa dify izany atao hoe fanjanahana!

Aoka ianao tsy handray intsony baiko avy amin’ny gasy reraka,
Fa ianao tsy sanatria hoe gasy donto sy miveraka.
Tombontsoan’ny malagasy, izany hatrany no tadiavo,
Fa tsy ny an’ireo vahiny te hibahana sy handavo!

…’Ndao hivondrona ry mbola mihevi-tena ho malagasy
Sady tsy isan’ny mpamadika no tsy mbola misy tasy,
Ka meteza hiombom-po, hiombon-tsaina sy fanahy,
Ho sahy hanilika amin’izay ‘ty mifanahin-tanalahy!

Ny miova volo am-pandehanana, tena tsy azon’iza ekena,
Indrindra indrindra ho an’ireo natao hitondra firenena.
Malagasy re ‘zahay fa tsy vazaha vao notefena,
Ka takianay koa ho GASY no mitondra firenena!

TSIMIMALO (25-06-23)