Antenimierampirenena – Mpikambana amin’ny Birao Maharitra miisa 4 tadiavina haongana

Isambilo

Mafanafana ny eny Tsimbazaza amin’izao fotoana. Mpikambana amin’ny Birao Maharitry ny Antenimierampirenena miisa 4 no tadiavin’ireo depiote nanao sonia haongana. Tontosa ny talata 27 jona 2023 hariva, teo anivon’ny sekretera jeneraliny, ny fametrahana ny taratasy fangatahana fanonganana mpikambana 4 eo anivon’ny birao maharitr’ity andrim-panjakana ity.

Solombavambahoaka miisa telo no fantatra fa nametraka “Proposition de résolution” mikasika ny fanonganana sy fampitsaharana amin’ny asany an’ny mpikambana sasany ao anatin’ny birao maharitry ny Antenimierampirenena.

Ny tsy fahatongavana mivory an’ireo mpikamban’ny Birao Maharitra ireo hoy ny fanazavana no antony hanonganana azy. Ireto avy izany, Kestora voalohany, Jean Michel Henri, Kestora fahatelo, Rabenirina Maminiaina, Filoha lefitra faritany Fianarantsoa, Brunelle Razafitsiandraofa ary Filoha lefitra faritany Toliara, Rabenirina Jean Jacques.

Nanao sy nametraka io “proposition de résolution” io kosa ny depiote Lova Moramanga, ny depiote Marco Ampanihy Andrefana ary ny depiote Dominique Sakaraha. Tantara hitohy.