Kongresy nasionalin’ny TIM ny sabotsy izao – Vonona ny ao Tanjombato, vonona koa ny kongresista

Isambilo

Ho tanterahana ny sabotsy 1 jolay ho avy izao ao amin’ny Magro Tanjombato Antananarivo Atsimondrano, ny kongresy nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM). Efa vonona ny toerana handraisana izany, izay toerana malalaka sy mifefy ary mitafo. Nampahafantatra ny fahavitan’izany toerana izany tamin’ny mpanao gazety ny talata teo, ny birao politikan’ny antoko, ireo depiote voafidy tamin’ny anaran’ny antoko TIM ary ny solontenan’ny komity mpikarakara. Nahitana ny sekretera jeneralin’ny antoko Rina Randriamasinoro, ny mpandrindra nasionaly Jean Claude Rakotonirina, ny filohan’ny vondrona parlemantera TIM: ny depiote Fetra Ralambozafimbololona, ny depiote Mamy Rabenirina, ny depiote Gerry Randriambolaina, ny depiote Alain Ratsimbazafy, ny depiote Feno Ralambomanana, ny depiote Rastany ary ny depiote Ramboasalama. Teo koa ny avy amin’ny komity mpikarakara, nahitana ny senatera teo aloha Olga Ramalason, ny ministra teo aloha Rafatrolaza Bary Emmanuel.

Fantatra tamin’izany fa efa vonona koa ireo kongresista hiatrika izany kongresy nasionaly izany, hahatratra 1400 eo ny avy any amin’ny faritra ivelan’ny renivohitra. Mpizaika miisa 20.000 eo no heverina hiatrika ny fotoana, izay hanomboka rahampitso zoma 30 jona, amin’ny alalan’ny asam-baomiera sy fanofanana, fanofanana ho amin’ny fiatrehana ny fifidianana. Hitohy ny sabotsy izany kongresy nasionaly izany, hatrehan’ny filoha nasionaly Marc Ravalomanana. Tokony hanao badge avokoa ireo hiatrika ny fihaonambe, hoy ny sekretera jeneraly Rina Randriamasinoro, ny toerana hahazoana ny badge hahafahana miditra eny Tanjombato dia ao amin’ny QG Bel’Air, MBS Anosipatrana, any amin’ireo Solombavambahoaka lany tamin’ny anaran’ny Antoko, any amin’ny distrika isanisany,…

Sabotsy izany mifankahita amin’ity fotoan-dehiben’ny antoko TIM ity, nanasany ihany koa ireo antoko politika sy fikambanana samihafa misy eto amin’ny firenena. Eo ihany koa no hanehoany, fa antoko lehibe eto Madagasikara izany antoko TIM izany, vonona amin’ny zava-drehetra, indrindra ny fifidianana amin’ity taona ity.