Filoha Ravalomanana – Alefaso amin’ireo TV Satelita amin’izay koa ny MBS

Beharo

Nandray fitenenana ny filoha Marc Ravalomanana, filoha nasionalin’ny antoko TIM, sady filohan’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM, nandritra ny dinika faha-2 nokarakarain’ny CENI teny Alarobia ny herinandro lasa teo. Miantso ny tompon’andraikitra izy handefa amin’izay ihany koa ny MBS amin’ireo TV Satelita misy.

Tontosa soa amantsara ny alakamisy teo ny ny dinik’asa faha-2 momba ny fifidianana, izay iandraiketan’ny Ceni, taorian’ny fihaonana voalohany izay natao ny volana martsa lasa teo. Marobe ireo olona na fikambanana nanatrika izany, teratany malagasy sy vahiny miasa eto an-toerana sy avy any ivelany nanome haja izany, nefa nisy ihany koa ireo antoko sy fikambanana fito, izay nandà ny tsy hanatrika izany, nefa tsara mifampidinika ihany fa “Lera ” izao hifanatonana hoy i Dada avy amin’ny antoko Tim. Rehefa avy nanokatra ny fotoana ny filohan’ny Ceni, dia nanome fitenenana ny vahiny avy hatrany toy ny avy amin’ny Firenena Mikambana izay nanao fisaorana ny mpandray anjara samihafa, nidera ny Ceni sy ny fitondrana ary ny vahoaka malagasy momba ny fiaraha-miasa, sy ny fankasitrahana izay fifidianana ho tanterahina aoriana kely io. Nahazo anjara fitenenana koa ny mpitarika fiangonana, ary ny filohan’ny antoko Tim avy hatrany, ny filoha Ravalomamana no nanohy izany avy eo, naneho fisaorana tamin’ny fanasana izay natao, sy mba nahafahany nanambara mazava fa ny “Fifidianana ihany no fifidianana” aminay hoy izy, miampy ireo hetaheta sy faniriana izay mba tian’ny antoko Tim, atao mialohan’ny fotoam-pifidianana, mandritra sy aorian’io andro malaza io koa, mba hitarafana zava-mahasoa ho fampandrosoana ny firenena.

Notsipihany mazava ihany koa tamin’ny anjara fitenenana nomena azy, ny fanajana ny Zom-pirenena maha-malagasy, ny fanentanana ny olom-pirenena mba hisoratra anarana mazava ao anaty lisitra, ho fanehoana ny fotoam-pifidianana mazava sy mangarahara eken’ny rehetra eo amin’ny fomba fitantanana mifanaraka amin’ny lalàna efa misy sy mipetraka. Namafisin’ny filoha Ravalomanana fa malagasy tanteraka ny tenany, tsy mizaka zo hafa, fa ry Rajoelina no efa hita porofo mety ho tsy nanaovany fianianana tamin’izy tenany haka fahefana ny taona 2018, ka tsy nanatontosa izany tamin’ny baiboly araka ny tokony hatao, ary efa nofafana araka ny lalàna nisy fony tetezamita ireny, nefa dia ninian’ny HCC nojerena fotsiny tamin’izany fotoana. Ny filoha Ravalomanana dia notronin’ny mpikambana maro tao aminy sy ny RMDM tamin’io dinik’asa faharoa io.

Momba ny resaka serasera, nanehoany teo imason’ny daholobe, ny Ceni, ary indrindra fa ny minisitry ny serasera izay teo alohany teo, fa voabahana tanteraka izy ireo rehefa mba manao hetsika, toy ny tany Antsirabe farany teo ohatra, nefa rehefa ny olona mpanohana an-dRajoelina manao lôranjy dia toa mandeha ho azy. Tsy ho tanteraka io fifidianana io raha mbola misy ny faneriterena, ataovy mitovy ny fahafahana manao hoy izy, ary nampiany hoe: aiza ho aiza ny canal sat momba ny MBS amin’izao? Ny minisitry ny serasera dia nilaza fa dossier anjaran’ny tribonaly ireny fa tsy misy hidirany hono.

Ho avy ny fifidianana amin’ity taona, tokony hitovy ny rehetra arak’izany eo amin’ny fahafahana manao hetsika, eo amin’ny sehatry ny serasera: tokony ho samy afaka mandefa ny televizionany amin’ny TV Satelita koa. Dia ho hita eo ny tohiny.