EDITO 27 Jona – Miala Rajoelina. (J- 74) – Ninia naka zom-pirenena Frantsay

Sôh’son

74 andro sisa (J-74) dia tokony hametra-pialana ny filoha Andry Rajoelina raha hirotsaka hofidiana ho filohampirenena indray. Mialoha an’izany aza dia tokony hiala izy, satria manala-baraka firenena, ninia naka zom-pirenena Frantsay, izany hoe ninia nanary ny maha-Malagasy azy raha an-taratasy.

Hatramin’ny oviana no hiheveran’ireo olon’ny fitondrana handrebirebena sy hamitahana mihitsy ny vahoaka malagasy? Efa noheverin’ireo mpanaraka ny raharaham-pirenena, fa tsy maintsy ny hitady ny fomba rehetra sy ny teny rehetra izay azo ampiasaina hiarovan-tena amin’ity resaka maha frantsay ary tsy malagasy intsony an’i Andry Rajoelina ity izy ireo. Efa mazava amin’ny vahoaka malagasy anefa ny marina amin’izany, ka tsy voavilivilin’ireo mpanodinkodin-dresaka sy filalaovana lalàna miaro azy intsony izy ireo. Miharihary tsara izao, fa ao amin’ireto olona ireto no misy ny mpanamboamboatra ny tantara, mba tsy hilazana hoe mpamily ny tantara marina, ho amin’izay maha metimety azy sy hiarovany ny tombontsoany manokana.

Tsy misy azo fitahina eto, iza no tsy mahalala fa rehefa olona manana na mizaka ny zom-pirenena frantsay, dia tsy maintsy miaro ny tombontsoa frantsay. Efa taona vitsivitsy lasa izay no nilazanay teto amin’ny gazety, fa tsy hiverina madio amin’ny Malagasy velively ireo Nosy malagasy raha mbola ao anatin’ny fitondrana Rajoelina. Voaporofo mazava izany izao rehefa nipoaka ity resaka fizakany ny zom-pirenena frantsay ity. Efa niharihary ihany koa, indrindra taorian’ny fifampiresahana teny Andafiavaratra, sy ny fankanesan’i Andry Rajoelina tany Frantsa, fa arirariran’ny mpitondra frantsay fotsiny ny resaka momba izany. Ary ny fitondrana malagasy dia hita ho manaraka ambokony fotsiny tsy misy atokona, fa kely endaka. Noho ny inona? Noho ny maha frantsay an’i Andry Rajoelina sy ny ankohonany.

Mbola hisy Malagasy ho voafitany amin’ny teny mampandry adrisa fanaony sy mbola nataony indray teny anaty Rovan’i Manjakamiadana farany teo ve? Tato anatin’izao fitondrana Rajoelina izao no niharihary ny fanitsakitsahana na fanosihosena ny fahamarinana. Tsy atao hahagaga raha toy izao no manjo ny firenena sy ny vahoaka malagasy. Tsy fahaiza-mitantana sy mitondra firenena ihany no fositry ny mampahantra ny vahoaka Malagasy, fa ny fiarovana ny tombontsoa vahiny, ny karana eo ihany, fa indrindra ny frantsay. Tranga hita eto amin’ny firenena tsara izany fitongilanana izany, sy ny fanagejana ny Malagasy amin’ny endrika maro samihafa mba tsy hitraka sy tsy hihetsika hanohitra ny zava-misy mahaory iainany. Fotoana fisainana lalina sy andraisana fanapahan-kevitra izao, fa ho poitika eto ny firenena raha mbola ekena ny fitohizan’izao.