TSY VAZAHA FA MALAGASY

Tsy ananan’ny gasy ny raiamandreny
Natao ho modelin’ny fahatsarana,
Ka izao no manjo an’ilay fireneny:
Mizotra mankany amin’ny faharavana!

Ilay natao hitarika ny firenena
Tsy fantatra na hoe naninona angaha,
Fa rehefa avy niezaka nanandra-tena
Dia indro tsy tratra fa niofo ho vazaha!

Tsy fantatra izay mbola ho tohin’izany.
(Tsy vitsy ireo tohina sy niakatra afo!)
Ary nisy ireo efa nilaza avy hatrany
Fa ny akon’izay dia hosandainy lafo!

Satria gasy ray ary koa gasy reny,
Tsy hoe olom-poana fa tena mivavaka,
Izay no andrandrainy ho an’ity fireneny
Ka hanaisotra azy ao anatin’ny lavaka!

DADAN’i ZINA (19-06-23)