TSY TIA TANINDRAZANA IANAO

Tsy tia tanindrazana ianao ry boaikely
Matoa nanakalo ny maha-malagasy.
Ny toetranao koa hita fa tsy modely
Ry ilay efa niofo ho vazaha taratasy!

Tsy tia tanindrazana ianao ka mihevera,
Vonjeo Lafrantsa, miaingà ka mizora.
Mpamadika ianao ry ilay mpihoerahoera
Ka mialà malaky mba tsy ho voakora.

Tsy am-bava dia ampy ilazana fa tiana
Ny tany lazaina ho nitoeran-tavony.
Porofo mivaingana, izay no takiana,
Fa tsy resa-jaza toy ny anao intsony.

Matoa tsy naverina ho anay iretsy nosy,
Fa mbola i Frantsa no manjakazaka,
Ny maha-malagasy no voahosihosy
Ka mialà malaky re ry tompondaka!

Matoa i Frantsa no mbola mibahana,
Mihevitra anay mbola hoe zanatany:
Ianao « gasy sandoka » tia fidedahana,
Ianao no inoana ho fototr’izany.

…Veloma veloma ary tsy ho mandrapihaona
No atao aminao ry boaikely tsy gasy.
Tsy arahina sento , tsy arahina saona
Fa dihy no hitsenana an’izany eto an-dasy!

TSIMIMALO (21-06-23)