LAVINAY MARINDRANO

‘Zahay tsy manaiky hotantanam-bazaha
F’efa dify tanteraka ny fanjanahana.
Ianao niova razana, ‘ndeha miataha,
Avelao ho an’ny gasy ny seza hipetrahana!

‘Zahay tsy manaiky hotantanam-bazaha
Fa tsy lany olo-manga ‘zahay malagasy.
Raha maniry nify ireo akoho angaha
Vao vazaha no hiverina hanjaka eto an-dasy!

‘Zahay tsy manaiky hotantanam-bazaha
Fa ‘zahay malagasy no tompon’ny laka.
Hijoro sy hanohitra izahay tantsaha
‘Raha ‘zareo menasofina no mbola hanjaka!

‘Zahay tsy manaiky hotantanam-bazaha
Fa izany no dikan’ny fahaleovantena.
Sahia, mijoroa, ary koa mivavaha
Fa ny Tompo no hanafaka ny firenena!

DADAN’i ZINA (17-06-23)