Na nirefodrefotra ny lakrimôzena tany Antsirabe – Fahombiazana ny kongresim-paritry ny TIM Vakinankaratra, eto Antananarivo indray ny fotoana amin’ny 1 jolay

Isambilo

Na nisy ny lakrimôzena maromaro nirefodrefotra nataon’ny herim-pamoretan-dRajoelina tany Antsirabe ny sabotsy teo, fahombiazana ny kongresim-paritry ny TIM Vakinankaratra, tontosa soa amantsara ihany izany.

Ny maraina niantsena tao amin’ny Tsenan’Asabotsy Antsirabe ny filoha Marc Ravalomanana, avy eo izy sy ireo mpiara-dia aminy marobe, saika hanatanteraka ny kongresim-paritry ny antoko TIM Vakinankaratra tao amin’ny Magro Avaratsena. Nosakanan’ny herim-pamoretana tany an-toerana anefa izany, ka norarafan’izy ireo baomba mandatsa-dranomaso maromaro ny filoha Marc Ravalomanana sy ireo vahoaka tonga tany.

Nambenan’ny zandary sy polisy ary miaramila hatramin’ny farany ny Magro Avaratsena. Tsy niditra tao indray ny rehetra, fa nanao diabe namakivaky ny tanàna hatrany amin’ny TOP Vatofotsy, satria vaky ny barazy teo Avaratsena, nihazo an’i Mahazoarivo, nipaka hatrany Vatofotsy. Tao no nanatanterahana ny kongresim-paritra ny TIM, tonga tao avokoa ny solontena mpitarika ny antoko avy amin’ny distrika 7 mandrafitra ny faritra Vakinankaratra. Nisongadina fa tena mijaly ny vahoaka amin’ireo distrika ireo noho ny tsy fandriampahalemana, tsy misy mpividy ny vokatra, midangana ny vidin-javatra, koa miantso ny filoha Marc Ravalomanana izy ireo hirotsaka hofidiana indray, hanavotra ny vahoaka izay tena sahirana tokoa amin’izao fotoana, sy hanavotra ny firenena.

Tantsaha aho ny filoha Ravalomanana, ka haiko tsara ny olan’ny tantsaha sy ny vahaolana amin’izany, haiko koa ny teknolojia vaovao, ary indrindra haiko ny mifandray amin’izao tontolo izao. Hanamafy ny firaisankina isika ho fanavotana ny firenena izay. Marihina fa 4 no naratra mafy vokatry ny lakrimôzena nataon’ireo herim-pamoretana tao amin’ny tanànan’ny Ranovisy, 1 safotra, noraisin’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanana avokoa ny fitsaboana azy ireo.