Miala Rajoelina. (J- 81) – Famadihan-tanindrazana goavana ny maha-Frantsay azy

Andry Tsiavalona

Nihaona tamin’ny herivelona rehetra teto Madagasikara: Fiadidiana ny Repoblika, Primatiora, Fivondronanan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM), Antoko Politika sy ireo Fiondronanan’ny Antoko Mpanohitra, ny Organisation Internationale de la Francofonie (OIF), tato anatin’ny herinandro vitsivitsy. Niditra lalina amin’ny resaka fifidianana ihany koa ity fikambanana iraisam-pirenena ity ka nanao fitsirihana (audit) ny lisitry ny mpifidy ihany koa. Tsy izay ihany fa nanao fanamarihana momba ny toe-draharaha politika sy ekonomika ary sosialy iainan’ny Firenena sy ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao.

Novakiany bantsilana, fa miatrika krizy eo amin’ny sehatra rehetra ary tsy mahomby (défaillant) eo amin’ny fitantanana ny Firenena izao fitondrana izao, raha nihaona tamin’ny Filoha Ravalomanana Marc teny Faravohitra Ramatoa filohan’ity Fikambanana ity ny alakamisy 15 Jona 2023 lasa teo. Nilaza ihany koa izy fa “tsy maintsy hisy ny fifidianana” kanefa mbola maro ny olana, ka anisan’ireny ny tsy mbola namoahan’ny mpanatanteraka didim-panjakana manamafy ny tetiandro momba ny fanatanterahana izany, ny tsy fahatomombanan’ny lisitry ny mpifidy izay tsy maintsy hanaovan’ity fikambanana ity fitsirihana(audit) indray rehefa mikatona tanteraka ny fisoratanan’ny mpifidy anarana ao anaty lisitra ny 20 jolay 2023.

Olana mipetraka ihany koa ny vola entina manatanteraka ny fifidianana satria efa lany tanteraka ny sorabola natokana ho amin’izany fifidianana izany kanefa tsy nandroso Lalànan’ny Tetibola asiam-panitsiana (LFR) teo anivon’ny Antenimierampirenena ny fahefana mpanantanteraka fa nilaza fa tsy ilaina izany fanitsiana izany. Ny manahirana dia vola avy aiza no hamenoana ny banga izay mitentina zato miliara ariary, satria ny Vondrona Eoropeana dia efa nanambara fa raha hanampy aza izy ireo dia tsy hitovy amin’ny tamin’ny taona 2018. Manampy trotraka ireo dia ny fahatsapana fa tsy mahaleotena araka ny anarany ny Vaomieram-Pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI) sy ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), ka miteraka fitsikerana mavaivay avy amin’ny ankolafin-kery rehetra ankoatry ny mpomba ny fitondrana.

Voaresaka tamin’ity fihaonan’ny mpanao gazety sy ny filoha Ravalomanana ity ihany koa ny momba ny fananan-dRajoelina Andry ny zom-pirenena frantsay izay miteraka adihevitra mafana dia mafana tokoa. Tsy iadian-kevitra anefa ny momba izany satria efa porofo tsy azo lavina ny nivoahan’ny didim-panjakana frantsay voasonian’ny praiminisitra sy ny minisitry ny atitany frantsay izany. Ny olana manoloana ity raharaha ity dia ny nanafenan-dRajoelina Andry izany tamin’ny vahoaka Malagasy, satria raha nahafantatra ny mpifidy tamin’ny taona 2018 dia azo inoana fa na nisy aza ny “doublons” niisa roa hetsy sy iray tapitrisa dia tsy ho lany velively izy. Miaro ny tsy azo arovana ny mpomba an-dRajoelina Andry satria na nisy aza ny Filoham-panjakana na Filohan’ny Repoblika nizaka ny zom-pirenena frantsay dia tsy nisy tao amin’ny Lalàmpanorenana tamin’izany ny fandraràna izay nanana zom-pirenena vahiny tsy afaka nirotsaka ho fidina.

Ny Lalàmpanorenana amin’izao Repoblika IV-2 izao izay Rajoelina Andry no nangala-tahaka azy avy any amin’ny an’ny firenen-kafa no misy izany fandraràna izany. Tsy misy lalàna misy fiantraikany amin’ny tranga taloha (effet rétroatif) ihany koa, ka amin’izao fotoana izao izany no tsy maintsy ampiharina ny andininy mirakitra izany, izay manery ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana handray ny andraikitra mifanandrify amin’izany. Izao vao mazava ny anton’ny tsy nanaovan-dRajoelina Andry fianianana tamin’ny Baiboly, toy ny nataon’ny Filoham-pirenena rehetra nifandimby, satria nandainga izy fa tsy araka ny nolazain’ny mpomba azy, fa tsy noho ny maha Firenena laika i Madagasikara.

Midika ho famadihana Tanindrazana goavana (haute trahison) sy lainga sy fampiasana lainga (faux et usage de faux) izao ataon-dRajoelina Andry izao. Mbola nilaza Rajoelina Andry tamin’ny fitokanana ny Rovan’i Manjakamiadana fa tsy misy afaka manolo ny rà Malagasy mikoriana ao anatiny izao toe-draharaha izao, marina izany satria vazaha taratasy izy kanefa tsy ny rà Malagasy mikoriana ao anatiny no manadio azy ho afaka amin’ny lainga nafafiny tamin’ny Malagasy.