Lanonana ny alahady alina teo – Maty hasina ilay Rova hoy ny Rado Rafalimanana

Nangonin’Isambilo

Maneho ny heviny mahakasika ny lanonana tamin’ny andro alina teny amin’ny Rova ny alahady alina lasa teo, ny mpandraharaha, sady mpanao politika Ny Rado Rafalimanana. Maty hasina tanteraka ny Rova hoy izy : « ry mpiadidy mahefa ny tany sy ny fanjakana. Manana adidy ny tena hiresaka ny nataonareo ny alahady alina teo. Isaorako ianareo mpiadidy mahefa eto Madagasikara namerina indray ny fanokafana azo tsidihin’ny malagasy ny rovan’i Manjakamiadana.

Eny, maro ny tiana resahina fa ny hita sy tsapa, dia asa na ilay ministeran’ny kolontsaina no tsy manara-dalàna tsy manao fandalinana ny fombafomba, indrindra ny firafitry ny hasina amin’ny toerana manankasina toy itony, na manao tery vaimanta ianareo mpanapaka ambony.

-Fady amin’ny toerana Rova ny mitokana zavatra amin’andro alina na maizina.
-Ny tena loza dia ilay Lapa Masoandro mihintsy no notokanana amin’ny andro maizina.
-Fitokanana anaty Rovan’i Manjakamiadana, kanefa kabary amin’ny teny frantsay (tenin’ilay firenena fahavalo fahagola izay nanjanaka), fady amin’ny hasin-teny izany.
-Tsy fanajana arifenitra, sahin’ilay ramatoa ministry ny serasera no mianjaika toy ny fitafin’ny mpanjaka vavy! fady izany ao anaty Rova.
-Maty hasina ilay Rova! ny ankamaroan’ireo olona nasaina dia vahiny toy ny frantsay, karana… tsy azo dinganin’ny lehilahy tsy mifora ny vavahady avaratra, kanefa teo daholo izy ireo no nidika. Fady tanteraka izany. Ny vavahady atsimo no natokana ho an’ireo tsy mifora.
-Fady ny mampandoa sandany ara-bola ny malagasy hitsidika ny Rova! ny toerana masina tsy mahazo sandaina vola na takalo.
-Ilay kianja Masoandro izay mitoetra eo amin’ny Lapa Masoandro dia tsy vakoka malagasy ary hanohy ny ozona mihàtra mandrakan’androany ny fisiany.

Fehiny, saro-pady tompoko io toerana io. Mila mandinika isika, indrindra ianareo mpiadidy mahefa vao manao zavatra, fa manody amin’ny taranatsika, ianareo tsy manaja ny fady amin’ny toerana masina.

Ny tody no lasa ozona izay dimbiasin’ny taranatsika, noho ny ataonareo. Satria manan-jiny i Manankasitsara.

Raiso ampandinihina ny teny, fa tsy fankahalana akory satria toerana masina no resahina eto. Mandrosoa hasina. » hoy ny fanambarany.