20 Jona – Taratasin’ny mpamaky

Fanehoan-kevitra ampitaina amin’ny gazety sy ny mpamaky azy ary ireo rehetra mety iantefany izao manaraka izao.

Noheveriko fa mba manana ”éthique”, kay olona tsy misy ilana azy ry Rajoelina sy ny forongony. Raha ny filazan’izy mianakavy dia izy ireo mihintsy no nanangana ny lapa hatrany amin’ny fotony.

Aoka ho hain’ny taranaka fara aman-dimby, fa ny Fitondrana Ravalomanana no nanangana ny lapan’i Manjakamiadana tamin’ny taona 2006, ny asa goavana rehetra hatramin’ny 80 % dia efa vita avokoa ary ny faran’ny taona 2009 no tokony ho vita tanteraka ny asa, saingy tsy vita noho ny fanongam-panjakàna notarihan’i Andry Rajoelina tamin’izany.

Tsy mahamenatra tompoko ny milaza, fa ”finition” no nataonareo tao anatin’ny 5 taona be izao, fa ny asa goavana efa vitan’ny teo aloha. Soa ihany koa fa ny teo aloha no nanao azy sao sanatria ohatr’iretsy trano mirodana ho azy lazaina fa manara-penitra.