Edouard Tsarahame – Filoha lefitry ny RMDM – “Voafitaka isika nametraka vazaha. Aoka isika tsy ho voafitaka amin’ity indray mitoraka ity. Gasy no apetraka!”

Ny Valosoa

Noho ny fangatahana nataon’ny CENI, dia tonga teto an-toerana ireo iraka manokan’ny Organisation Internationale de la Francophonie (OIF) na vondrona iraisampirenena ho an’ireo tany mampiasa ny teny frantsay na ny Organisation Internationale de la Francophonie (OIF).

Ny talata 13 jona teo, tao Antaninarenina, no niantsoana ireo mpisehatra politika eto Madagasikara, hifanakalo hevitra sy hitady vaha-olana mikasika ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena. Mikasika ny fifidianana no tena votoatin-dresaka, ka isany voaresaka manokana ny momba ny CENI sy ny fifidianana ary ny fikasàna hametraka tetezamita eto amin’ny firenena. Voaresaka tao anaty io fihaonana io ihany koa ny fanitsakitsahana ny lalàna ataon’ireo mpitondra sy ny andrim-panjakana.

Fifidianana madio sy mangarahara no anton-dian’io iraka manokanan’ny OIF io, hoy ny filoha lefitry ny RMDM, Edouard Tsarahame, izay isan’ny voaasa tamin’io fihaonana io, ka nanao tatitra nanambara fa:

“Misy namana maro mangataka ny hisian’ny governemanta “intérimaire”, misy ny mangataka ny hisian’ny governemanta iaraha-mitantana, misy koa ny mangataka ny hisian’ny tetezamita… Izahay dia miteny: hajao ny Lalampanorenana!… aoka tsy hivaona amin’ny Lalampanorenana!… tsy hiala amin’ny Lalampanorenana isika fa ny Lalampanorenana ihany izay milaza amintsika fa tapitra ny “mandat”-n’ity filohampirenena vazaha ity, dia ho soloina filohampirenena Malagasy amin’izay.

Voafitaka isika nametraka vazaha. Aoka isika tsy ho voafitaka amin’ity indray mitoraka ity. Gasy no apetraka! Gasy no ilaintsika mitondra ity firenena ity!”

Tsy mankato ny resaka tetezamita ireo delegasiona raha ny fanazavan’i Edouard Tsarahame fa manaiky kosa ny hanaovana fikaonandoham-pirenena sy fifampiresahana eo amin’ny samy Malagasy. Hoy indrindra izy:

“Nanazava izahay fa ilaina ny “concertation nationale” mba hanitsiana ny tsy mety rehetra na ny lalàna mifehy ny fifidianana na ireo mpikarakara fifidianana, na ny CENI, na ny HCC izany, hahafahana manatanteraka fifidianana madio, mangarahara eken’ny rehetra. Dia neken’ny rehetra izay sosonkevitra izay ary dia ho hitantsika eo ny fomba fanatanterahana izany… tsy “pour” ny tetezamita izy ary tsy izay no diany nankaty. Fa ny “mission”-ny dia fanomanana fifidianana madio, mangarahara, eken’ny rehetra, andraisan’ny rehetra anjara”.

(Vaovao MBS, 15 jona 2023)