2CO2M – Taratasy misokatra ho an’ireo andrim-panjakana (HCC, Antenimierandoholona, Antenimierampirenena) – Andry Rajoelina – Zompirenena frantsay


TARATASY MISOKATRA

Ny gazety « La Gazette de la Grande Ile » laharana faha-5973 nivoaka tamin’ny 3 marsa 2023 sy ny lahatsoratra nosoratan-dramatoa Laurence Caramel tao amin’ny gazety « Le Monde Afrique » omaly 15 jiona 2023 dia nilaza fa misy porofo mazava mahakasika ny fizakàn’ny Filoham-pirenena malagasy ankehitriny Andry Nirina RAJOELINA zom-pirenena hafa ankoatra ny malagasy tamin’ny firotsahany ho fidiana ny taona 2018.

Eo anatrehan’izany, ny vondrona Collectif des Citoyens d’Origine Malgache Monde (2CO2M) dia mangataka fanazavana araka ny lalàna manan-kery amin’ireto andrim-panjakana mahefa manaraka ireto :
• Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana
• Antenimierandoholona
• Antenimierampirenena

Ahiana hanohintohina ny fametrahana Demokrasia marina sy ny Soatoavina ary indrindra ny fiandrianam-pirenena amin’izao ankatoky ny fifidianana ho avy izao ny tsy famaritana mazava ny lalàna avy aminareo vovonana hiadian’ny lohany tokony hiaro sy hampihatra ny lalàna velona eto amin’ny tanin’ny Repoblika Malagasy.

Mangataka anareo ary izahay hanazava tsara araka ny lalàna ny mikasika ny fizakàna zom-pirenena vahiny sy ny fahafahana mirotsaka ho filoham-pirenena, ho ren-tany ren-danitra, ho an’ireo Malagasy tsy vaky volo, ireo nifidy tamin’ny taona 2018 sy ireo izay hifidy amin’ity taona 2023 ho avy ity.

Eto ampiandrasana ny valinteny mazava sy ny fandraisanareo andraikitra hanalana ny ahiahin’ny olompirenena malagasy sy ho an’ny tombotsoa ambonin’ny firenena,
Raiso tompoko ny haja ambony sy voninahitra avo atolotray anareo.

Le Collectif des Citoyens d’Origine Malgache Monde (2CO2M) Parisy, ny 16 jona 2023

LETTRE OUVERTE

« La Gazette de la Grande Ile », dans sa publication n° 5973 du 3 mars 2023, et « Le Monde Afrique », dans un article publié par Laurence Caramel le 15 juin 2023, ont révélé, preuve à l’appui, que le président malgache Andry Nirina RAJOELINA en exercice détenait une autre nationalité au moment de sa candidature aux élections présidentielles de 2018.

Face à ces révélations, le Collectif des Citoyens d’Origine Malgache Monde (2CO2M) souhaite ardemment un éclaircissement clair et transparent de la part des hautes institutions et instances juridiques malgaches, à savoir :
• La Haute Cour Constitutionnelle
• Le Sénat
• L’Assemblée Nationale

A titre de rappel, la Constitution représente la règle la plus élevée de l’ordre juridique à Madagascar, et le Président en est le garant. Les textes de la Constitution doivent s’appliquer à tout citoyen malgache, à commencer par son Président.

Il est à craindre, que soient bafouées la mise en place d’une réelle démocratie, avec ses valeurs, ainsi que la souveraineté nationale, à défaut d’une réelle prise de responsabilité de hautes institutions juridiques dans la défense et l’application de la loi sur le territoire de la République malgache.

Le 2CO2M attend des réponses claires et incontestables à ces questions qui sont d’une importance capitale et d’une extrême urgence, de la part des instances précitées, à l’aube des élections présidentielles à Madagascar à venir.

Le Collectif des Citoyens d’Origine Malgache Monde (2CO2M) Paris, le 16 juin 2023