HAY TSY MALAGASY INTSONY ?

Hay tsy malagasy intsony ve ny tompondakanay?
Kanefa dia nahoana kosa no tsy mbola mety fay,
Fa tena mbola te hikiry ny hibahana eto an-dasy,
Na dia efa hoe vazaha mazava tsara an-taratasy?

Hay tsy malagasy intsony ve ny tompondakanay?
Dia rahoviana no hibaboka f’efa tena frantsay?
Tsy aleo mametra-pialana f’efa be ny feo miely,
Sa dia miandry ny hatsipy avy eny am-baravarankely?

Hay tsy malagasy intsony ve ny tompondakanay?
Fa nisafidy ny hiofo toy ilay biby anankiray,
Izay ondrindrano teo aloha fa dia nivadika ho angidina.
Tsy mikaton-dohamalemy ka dia faly hisidintsidina?

Hay tsy malagasy intsony ve ny tompondakanay?
Dimy taona nitondrana ny mangidy re zahay,
Ka tsara ho azy ny misinda, tsy miverina eto intsony,
F’efa Lafrantsa izany no mibahana ao am-pony!

TSIMIMALO (15-06-23)