EPP Ambohitrolomahitsy – Mampisakafo mpianatra 240 mandritra ny 7 herinandro i Jean Bosco

Isambilo

Mitohy ny asa sosialy ho an’ny ankizy sy ny tanora ary ho an’ny fiangonana, amin’izao ankatoky ny fetim-pirenena: 26 jona izao, ataon’i Randriamparany Jean Bosco, mpandraharaha ara-toekarena, sady filohan’ny Tanora TIM any Ambohitrolomahitsy distrikan’i Manjakandriana faritra Analamanga. Nambarany raha tafaresaka tamin’ny mpanao gazetin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao fa : amin’ny maha volan’ny ankizy ny volana jona, sady hankalazana koa ny fetim-pirenena, misy ny cantine scolaire, na fampisakafoanana an-tsekoly ataony ho an’ny mpianatra sy mpampianatra amin’ny EPP miisa 3 ao Ambohitrolomahitsy, izany dia tanterahana mandritra ny 7 herinandro. Vary sy laoka no omena ireo mpianatra sy mpampianatra miisa 240 eo. Mbola hisy atsy ho atsy ny fampisakafoanana ny mpianatra sy mpampianatra amin’ny EPP hafa any an-toerana. Efa ho avy ihany koa ny vakansin’ny mpianatra afaka andro vitsy, ireo mpianatra voalohany, sy faharoa ary fahatelo amin’ny EPP any Ambohitrolomahitsy dia ho toloran-dRandriamparany Jean Bosco fanomezana amin’ny fiafaran’ny taom-pianarana 2022- 2023 izao.

Eo amin’ny fikarakarana tanora, efa natao ary mbola tohizana hoy izy ny « tournoi » fanatanjahantena baolina kitra isam-pokontany ho an’ny tanora lahy sy vavy, avy amin’ireo fokontany miisa 20 any amin’ny kaominina Ambohitrolomahitsy. Samy manana ny ekipany avy ny isam-pokontany, saingy misy ny manana tarika 3 na 4 na mihoatra, arakaraky ny isan’ny mponina amin’ireny fokontany ireny, ary efa nisy ny nahavita famaranana tamin’ny fifaninanana baolina kitra tamin’ireny fokontany ireny, efa notolorana loka ondry, mbola ho avy koa amin’izao iandrasana ny 26 jona izao ny « tournoi » amboara na coupe omby. Mahatratra hatramin’ny 30 ireo ekipa isam-pokontany mandray anjara amin’ireo fifaninanana atao.

Manampy ireo fiangonana any Ambohitrolomahitsy ihany koa ity tanora mpandraharaha mpanao politika ity, fiangonana miisa 3 nila fanohanana no efa nampiany ary nambarany, fa tsy anavahana fiangonana ny fanampiana izay ataony.

Ho an’ireo tantsaha olon-dehibe, nanambara Randriamparany Jean Bosco, fa ho avy ihany koa ato ho ato, ny fanofanana momba ny fambolena sy ny fiompiana homena azy ireo.