Fifidianana – Henatra ho an’ny CENI ny tsy fisiany amin’ity taona ity

Beharo

Ny antom-pisian’ny CENI, na ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana fifidianana dia fikarakarana sy fanomanana fifidianana. Raha sanatria tsy hisy izany fifidianana izany amin’ito dia tena henatra bevava ho an’ity rafitra ity. Efa nanamafy ny filohany Dama Andrianarisedo, fa tokony hisy ny fifidianana amin’ity 2023 ity, indrindra ny fifidianana filohampirenena, mitohy ny fifampiresahana eo amin’izy ireo sy ny governemanta mahakasika izay, ka heverina hoy izy, fa hanaja ny teniny ny fahefana mpanatanteraka.

Ankoatra izany, nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny Ceni tamin’ny talata maraina teo, nanehoany mazava ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy izay nifarana ny faha-10 jona teo, nefa mbola nampiana 20 andro indray, mikasika ny fanitsiana farany izay tokony hatao eny amin’ny fokontany sy ny distrika misahana izany, ka mipaka aty amin’ny Ceni foibe. Izay izany no fetra farany hanaovan’ny olom-pirenena fanamarinana na tafiditra ao anaty lisitra izy na tsia, ka ny faha-17 volana jolay no faranana tanteraka ny eny anivon’ny distrika, ary ry zareo indray no mandefa izany eny amin’ny Ceni foibe, mba hahafahany manamarina ny anarana voasoratra sy izay ahiana ho miverin-droa raha misy ohatra ny faha-18 sy 19 jolay, ary hamoaka ny rezisitra farany manerana ny firenena ny 20 jolay, mba ho antoky ny fihodinana roa amin’ny fotoam-pifidianana 9 novambra 2023 sy 20 desambra 2023 ho avy io. Mitotaly 45,3 miliara ariary ny vola lanin’ny Ceni namomboka ny volana oktobra 2022 hatramin’ny 10 jona teo, ka 25,2 miliara Ar no lany ny tamin’ny taona 2022, ary 20 miliara Ar ny taona 2023, izay nandoavana ny karama sy ny tambin-karama an’ireo mpanisa mpifidy ihany koa.

Niantso ny rehetra tsy hanana ahiahy ny filohan’ny Ceni, ka nilaza fa mino ny hitazonan’ny fanjakana ny resaka nifanaovana, ary nanamafy fa efa nisy adi-hevitra sy fifanatonana lalina teo aminy sy ny fanjakana ary ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola. Teo amin’ny lafiny politika, dia nilaza ny filohan’ny Ceni manodidina ny fanambaran’ny antoko politika 5 (HVM, MMM, MTS, MFM, Ampela Manao Politika ), izay nilaza fa mandika lalàna amin’ny fanitarana aorian’ny 10 jona ny fanavaozana ny lisitra, dia nanamafy hatrany ny CENI fa tsy mitombina izany, fa manaraka ny pitsompitsony araka ny lalàna izy ireo, ary malalaka amin’izay te-hihaona aminy, misokatra malalaka ny varavarana ny fanambarany. Tsorina fa nanao fisaorana an’ireo mpiara-manentana niara-niasa taminy ny Ceni, ka tsy adinony ny nataon’ny fiangonana rehetra tsy ankanavaka, toy ny nataon’ny FFKM ohatra, tsy nikely soroka tamin’ny fanomezana ireo teti-bola nampiasaina tamin’ny asa izay natao. Teo ihany koa ny fisaorana ireo mpitsirika “auditeurs ” avy ivelany sy ireo roalahy avy eto an-toerana, Andriamatoa isany Andriamanampisoa Feno Heritiana natolotry ny TIM, sy Rajaonarifetra Andriamaro avy amin’ny HFKF, izay samy expert amin’ny informatika.

Teo am-pamaranana dia nambarany fa 10.768.137 ireo voasoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana, koa io 20 andro io izany no mbola hahafahan’ireo izay feno 18 taona talohan’ny 10 jona 2023 manoratra hatrany ny anarany, nefa ara-dalàna eny amin’ny fokontany misy azy avy, fa ny taorian’io 10 jona io no tsy ekena intsony, raha ny andinin-dalàna misy sy manankery, ary azon’ny olom-pirenena atao ny manaramaso sy manao fitarainana raha misy tsy fahatomombanana manodidina izany.