Ravalo tany Vatovavy sy Amoron’i Mania – « Miverena fa mijaly izahay vahoaka Prezidà »

Isambilo

Tontosa omaly sy ny talata teo ny kongresim-paritry ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) tany amin’ny faritra Vatovavy sy tany amin’ny faritra Amoron’i Mania. Na tany Mananjary, na tao Ambositra, azo lazaina ho fahombiazana izany kongresim-paritry ny antoko najoron’ny filoha Marc Ravalomanana izany, satria feno foana ny toerana nanaovana izany, na ny tao anatiny, na ny tany ivelany. Ombieny ombieny, teny naverin’ireo mpizaika ny hoe: « miverena ianao Prezidà fa mijaly izahay vahoaka, mirotsaha hofidiana indray ianao Prezidà, hanavotra ny vahoaka sy ny firenena! »

Toy izany koa tamin’ny lalany nandalovany tamin’ny RN25 sy ny RN7 avy any Mananjary nihazo an’Ambositra dia samy niantso an’i Dada avokoa hiverina hirotsaka hofidiana, ka hitondra ny firenena indray. Na tany Manakara, na tany Farafangana, na tany Vangaindrano, na tany Mananjary, na tao Ambositra dia nahazo tsodrano tamin’ireo Ampanjaka sy Ray amn-dreny tany an-toerana ny filoha nasionalin’ny antoko TIM.

Nambaran’ny filoha Ravalomanana nandritra izany fa : “manana ny lanjany sy ny hasiny ny Tranobe, ny Ray aman-dReny: Ampanjaka sy Zanaka mifampatoky, antoky ny fampandrosoana ny faritra. Ny andro sisa iainako dia hatokako hanavotako ny Firenena satria efa nomen’ Andriamanitra tombon’andro Aho. Koa andeha isika hiara-dia ho amin’izany, tena reko ny antsoantso sy fitarainanareo”, hoy izy. Ny sabotsy izao, Antsirabe indray, no handray ny kongresim-paritry ny TIM Vakinankaratra.