Miala Rajoelina (J- 86) – Tsy tafaverina talohan’ny 26 jona 2019 ireo Iles Eparses

Andry Tsiavalona

Dradradradraina andro aman’alina ny fitandroana ny « Fiandrianam-pirenena » ary milaza ho saropiaro amin’izany izao fitondrana izao. Ny tsy fianteherana amin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola mahazatra (Partenaires Techniques et Financiers) satria tsy handroso mihitsy Madagasikara raha mbola ireo no antenaina. Ripaka teto anefa ny Malagasy raha tsy nisy ireo mpamatsy vola mahazatra ireo tamin’ny niparitahan’ny valanaretina Covid-19. Matikambo ihany koa fa entiny miady amin’ny valanaretina ny CVO fanafody nentina niady tamin’izany kanefa dia nampitrosona tamin’ny tany ny « Fiandrianam-pirenena » satria afa-baraka teo imason’ny firenena maro i Madagasikara noho ny tsy nahasitranan’ny olona nisotro azy, ankoatry ny fianakavian-dRajoelina Andry sy ireo mpitady sitraka aminy.

Niseho ho tena hanandratra izany “Fiandrianam-pirenena” izany Rajoelina Andry raha nilaza ho ren-tany, ho ren-danitra fa namerina nialohan’ny 26 jona 2019 ireo Nosy Malagasy (Iles Eparses). Tsy tafaverina ireo Nosy Malagasy ireo ka natsangana ny Komity niarahan’ny solontenan’ny fitondrana frantsay sy malagasy nandinika ny momba izany, kanefa na izany aza raha nitsidika ny iray amin’ireo Nosy ireo, Île Glorieuse » ny filoha Macron, dia nilaza hoe : « Ici c’est la France » ary nanangana ny sainam-pirenena frantsay izy. Amin’izao fotoana izao anefa dia tsy mbola hita izay vokatra azo notsapain-tànana tamin’ny fikaonan-doha taloha ary efa nisy fikasana nanatanterahana izany, fa toa nihemotra na nofoanana mihitsy. Mariky ny fiandrianam-pirenena anefa ny fiverenan’ireo Nosy ireo ho ao anatin’i Madagasikara indray.

Niainga nihazo an’i Lafrantsa Rajoelina Andry ny faranan’ny herinandro lasa teo, tsy fantatra mazava izay antondiany, satria araka ny fanaony dia tsy manao valandresaka amin’ny mpanao gazety toy ny fanaon’ny Filoha nifandimby tao anatin’ny enimpolo taona izy. Heverina fa saika hanao fanomezana tsy hampoizina ho an’ny vahoaka Malagasy indray, satria nanantena ny nahazo fahafahampo amin’izay nangatahiny tamin’ilay filoha frantsay niara-teraka taminy tao anatin’ny taona 70 (même génération). Tsy nisy fanambarana niombonana anefa taorian’ny fihaonana fohy dia fohy, ka tsy ho re tsaika ihany koa rehefa hiverina an-tanindrazana ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasiakara Rajoelina. Raha araka ny fantatra dia toa resaka fanampiana amin’ny fifidianana no ho azo avy amin’i Lafarantsa, ka aiza ny fiandrianam-pirenena amin’izany satria raha ny marina dia tsy hianteherana amin’ny any ivelany izany fifidianana izany. Manaporofo koa izany fa tsy misy vola intsony ao anaty kitapom-bolam-panjakana ao satria niala ilany tsy namolavola ny Lalànan’ny Tetibola asiam-panitsiana (LFR) ny governemanta.

Ny fahamarinan-toeran’ny toekarena no anisan’ny manamarika ny fiandrianam-pirenena satria raha miiba araka ny zava-misy amin’izao fotoana izao eto Madagasikara dia tena mandohalika sy mitalao any amin’ny Mpiaramiombon’Antoka ara-Teknika sy ara-Bola (PTF) ny fitondrana mangataka fanampiana. Tsiahivina anefa fa matikambo Rajoelina Andry, fa noho ny fiandrianam-pirenena dia tsy hiantehitra amin’ireo mpiaramiombon’antoka mahazatra ireo izy, satria tsy handroso mihitsy Madagasikara na amin’ny taona 2060 aza. Tsy mbola mahavita tena ara-tsakafo i Madagasikara na nanambany ireo mpitondra nifandimby teto noho izany Rajoelina Andry, rehefa nandray fitondrana kanefa efa ho tapitra ny fepotoana vao mikoropaka hampitombo iray hetsy hektara ny tany ho volena vary, izay tsy ho voazary raha tsy taona maro. Raha ny toe-javatra iainana eo amin’ny sehatra rehetra misy sy eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena dia tsy afaka hihambo izao fitondrana Rajoelina Andry izao, fa manana fiandrianana ny Firenena Malagasy. Tsy maintsy hitraka ny vahoaka malagasy hivoahana amin’izao haretina mianjady amin’ny firenena izao, ka hisafidy olompirenena matotra sady manana traikefa hoentina mitsabo izany aretina izany.