ANGAHA NAHAZO TEHAMAINA ?

Angaha nahazo tehamaina no tsy nahitana teny?
Sao dia mba fambara loza ny endri-javatra toy ireny?
Ora maro nampiandrasana, resaka minitra vitsy,
Moa nataon’ilay vangiana ho tsisy vidiny mihitsy?

Angaha nahazo tehamaina no dia tsy afa-nihorakoraka?
Sa ny loha no efa boda sy nanjary toa nivoraka?
Hany ka tsy hay intsony hatramin’ny lalana nivoahana,
Tompondaka o! mifitsaha dia aoka izay ny fidedahana!

Angaha nahazo tehamaina, angaha tsy azo izay nilaina?
Mandiniha sy mihevera dia meteza ho tonga saina.
Aiza indray re no hisambotra mba hisian’ny fifidianana?
Votsotra ny nantenaina nefa tsy ampy ny eo an-tanana!

Angaha nahazo tehamaina no dia tena fanimpanina?
Ontsa anao aho Tompondaka! mahereza mihinan-kanina.
Saingy tonga kosa ny ora tokony handinihan-tena.
Mialà rehefa tsy hay fa potika ny firenena!

IRINA HO TAFITA (14-06-23)