EDITO 15 Jona – Hafa ny an’ny fitondrana ny antsoiny ho fahombiazana

Sôh’son

Ao anatin’izao fitondrana izao, ny zavatra na asa tsy tomombana an-tsakany sy an-davany ary tsy tratra tanteraka amin’ny tokony ho izy, dia ambarany hatrany ho fahombiazana. Aminy izany dia lazainy fa fahombiazana. Amin’ny hafa anefa izany dia tsy fahombiazana mihitsy. Nanamarika izany, ny nambaran’ny filohan’ny Ceni ny talata lasa teo.

Raha tany amin’ny manodidina ny 13 tapitrisa no nokendrena hotratrarina sy heverina ho voasoratra tafiditra ao anaty lisi-pifidianana, nambara tamin’ny fomba ofisialy hofantatry ny besinimaro izany, dia ny nambarany eo amin’ny 10 tapitrisa mahery eo no vita. Avy dia mandeha ny saina hoe nahoana no nofaritana ny hotratrarina kanefa hafa indray no nambara ho fahombiazana aty aoriana? Asa raha hahatratra 11 tapitrisa aza izany, satria mbola nampiana andro vitsy ho an’ireo vaovao tsy mbola voasoratra anarana hatramin’izay.

Ity resaka fifidianana ity, dia tsy milamina raha fehezina sy tsorina ny zava-misy. Anisan’ny misongadina ny tsy fitokisana ny amin’ny fangaharahan’ny fifidianana hotanterahina eo, ary nanamafy izany sy manitrikitrika izany mandrakariva ny avy amin’ny fanoherana. Nambarany aza fa hisy ny hetsika iraisana hotanterahiny tsy ho ela. Nazava sy tsotra ihany koa ny nambaran’ny avy amin’ny antoko Tim, fa tsy maintsy ovaina na soloina ny mpikambana eo anivon’ny Ceni sy ny Hcc raha tiana hangarahara sy hadio marina ary eken’ny rehetra ny fifidianana sy ny vokany.

Minia mangina sy tsy hita ho mitondra fanazavana momba izany mihitsy anefa ny avy amin’ny fitondrana, ka mazava loatra raha mitoetra ny tsy fifampitokisana sy ny ahiahy tsy ihavanana. Tsy maintsy hisy fiantraikany amin’ny fifidianana izay hoavy eo anefa izany, raha toa ka miziriziry tsy mihaino ny fitondrana ary minia tsy hifampiresaka amin’ny rehetra. Izay ve no kendrena sy tiana hahatongavana? Mbola ho tantara mitohy ity resaka fifidianana ity.