MIANTSO ANTSIKA HO TONGA SAINA

Fa moa ny mpitondra efa marary saina
No dia tsy mitsahatra manandra-tena?
Tsy fantany ve f’izy mbola hotsaraina
Amin’ny zava-nataony ho an’ity firenena?

Mirehaka hatrany fa hoe tompondaka
Amin’ny sehatra maro tsy dia manahoana.
Mazàna kanefa no afa-baraka
Noho ireo gasy reraka sy maty noana!

Ny akaiky sy ny eo anoloany mazàna
Tsy hitany intsony fa efa lo aty,
Fa bizina sy halatra tena igagana
No misy, toy ny ao amin’ilay jiramaty!

Tsy soa iombonana no mahamaika
Na koa mahamendy ny mpitondrantsika.
Tsy dia mahagaga raha diso ny paika
Toy ilay fananganana teleferika!

Dia toy izany koa ny « arabe migodana »
Izay tefitefena sy atao ankamehana.
Toy ny efa sarin’ilay fitondrana
Mizotra mankany amin’ny fahapotehana!

Izany no zavatra mandreraka aina,
Tsy maintsy vakiana bantsilana anefa.
Dia mieritrereta, samia tonga saina,
Tsy hobadoina intsony ho sokajin’ny « zefa »!

TSIMIMALO (12-06-23)