HANINONA AO FRANTSA INDRAY ?

Heno fa nandadilady hihazo an’i Frantsa indray
Ilay tompondaka mampihomehy, malaza be any aminay.
Inoana fa hangata-bola sy hitady fanohanana,
Izay no tena foto-diany mialoha ny fifidianana!

Sady heveriny ihany koa fa hampisandratra azy indray,
Ny fihaonany amin’ny ngezalahy toy ny filoha frantsay,
Ka indro dodona sy maika ity ilay tia mirehareha,
Fa efa tena mahatsiaro ho tapi-dalana haleha!

Be no tezitra avy hatrany raha vao nahare izany.
« Angaha i Madagasikara haverina ho zanatany,
No dia ao Frantsa indray i Tompondaka no handady,
Angaha tsy nahavaha olana ny nisondrotany girady? »

Sao ny «nosy manodidina » no tetehiny hamidy
Sy hahazoana vola betsaka hanambazana mpifidy?
Sa dia inona indray no tetikady izay ketrehina,
Noho ity ilay « sambo foza » eo an-dalam-pilentehana?

Raha vao Lafrantsa mantsy no kasaina hiantsampazana,
Dia efa maro ireo vahoaka no indro fa mihidy vazana,
Fa miverina ao an-tsainy irony androm-panjanahana,
Nanagiazana ny gasy tsy mba hanam-pahafahana!

…Ka dia asa i Tompondaka raha hamitsoka indray
Sy sahy hiteny hoe Lafrantsa no indro nandohalihanay,
Hamatsy vola eto amintsika sady hanampy ny eo an-tanana,
Fa raha tsy izany tsy azo antoka ny hisian’ny fifidianana!

TSIMIMALO (11-06-23)