Manaraka, Farafangana, Vangaindrano – Tsy hamaly faty ireo nandoro fananana aho, hoy ny filoha Ravalomanana

Isambilo

Tontosa ny sabotsy sy omaly alatsinainy ny kongresim-paritry ny antoko TIM tany amin’ny faritra Fotovinany, tao Manakara, sy Atsimo Atsinanana, tany Vangaindrano; tontosa toy izany koa ny fihaonamben’ny avy amin’ity antoko ity tao Farafangana ny alahady hariva teo. Fahombiazana amin’ny ankapobeny ireo hetsika 3 ireo, feno avokoa ny tao an-trano nanatanterahana izany, nisy ireo tsy tafiditra nihaino tany ivelany. Anisan’ny nasongadin’ny filoha Marc Ravalomanana, filoha nasionalin’ny antoko TIM nandritra izany fa: « Kristiana aho, ka tsy hamaly faty ireo nandoro avion teto Farafangana, tsy hamaly faty ireo nandoro fananana. » Fanontaniana nipetraka tamin’ny filoha Marc Ravalomanana tao Farafangana izany. Ny filoha lefitry nasionaly ny TIM ao Fianarantsoa, ny dokotera Elysé Zanabahoaka dia nilaza fa: « miangavy anao zahay eto amin’ny faritany Fianarantsoa Prezidà hilatsaka hitantana ny firenena, satria faritany tena mijaly izahay eto Fianarantsoa».

Hafa avao Manakara hoy Pasitera Tsarahame Edouard, filoha lefitra nasionalin’ny RMDM. Mila apetraka any amin’ny Tranobe tokony hisy azy ny filoha Marc Ravalomanana dia ny fitantanana ny firenena indray. Misy ny ohabolana Malagasy milaza hoe aleo mifanena amin’ny mpamosavy toy izay mifanena amin’ny mpandainga. Mbola ratsy lavitra noho ny ataon’ny mpamosavy ny mpandainga. Koa mivavaka ho antsika Malagasy aho hoy izy, mba tsy hifanena amin’ny mpandainga intsony. Tsy hiverina hoitondra ny Malagasy intsony ny mpandainga. Ny solontenan’ny tantsaha tao Fitovinany avy any Ikongo dia nanambara fa: « tamin’ny andronao Président dia voafehinao ny resaka fambolena. Afa-pahasahiranana izahay tantsaha tamin’izany. Ataoko mora ny vary hoy ny mpitondra amin’izao nefa tsy hita akory izany. Mijaly izahay any Ikongo Président fa mba vonjeo » hoy ny nolazainy.

Nanamafy izany koa ny depiote teo aloha sady efa ben’ny tanàna teo aloha tany Ikongo : Lalanirina Brigitte: « maro ny zavatra vitanao Président. Anisan’ny nampisongadina an’Ikongo ny filoha Marc Ravalomanana. Izay nangatahina tamin’ny fitondrana Ravalomanana dia azonay tao Ikongo daholo. Azo nandehanana tsara ny lalana tamin’ny fitondrana Ravalomanana. Miantso anao izahay Président hanavotra ny firenena indray » hoy izy.

Niarahaba ny filoha Marc Ravalomanana ny solontenan’ny TIM Distrika Manakara, nandray ny filoha Marc Ravalomanana. Tsy mbola nisy mpitondra Fanjakana nanala baraka ny Malagasy raha tsy tamin’ity fitondrana ity. Raha tsy misy ny fahavitantena ara-tsakafo dia tsy misy raha manjary eto Madagasikara. Dada no antenainay hanavotra anay, milatsaha ianao Président fa ianao ihany no hahafaka ny jalinay » hoy ity filohan’ny DisTIM Manakara ity. « Manao ny fomba etsy sy eroa hanakorontanana ambony ambany tsy ahatongavana amin’ny hisian’ny fifidianana ny sasany. Hatramin’izao mbola mampanantena tsy misy hatrany ny mpitondra. Mirotsaha ianao Prezidà. Mila miverina amintsika ny fahefana, mba tsy hiverenan’reo mpandainga ireo, » hoy ny depiote Mamy Rabenirina. Samia miomana, entano ny rehetra handray anjara amin’ny fifidianana, hoy ihany ity olomboafidy avy ao Ambohidratrimo ity. « Tsy vitan’ny andrakandrana intsony ny fitondrana ny firenena, » hoy kosa ny depiote Gerry Randriambolaina voafidy tao Avaradrano.

Ankoatra izany, nihaona tamin’ny solontenan’ireo tanora tao MANAKARA Be ny filoha Marc Ravalomanana: ny TANORA no Firenena androany, ny TANORA no Madagasikara ankehitriny kanefa tsy afaka mitondra fampandrosoana izy ireo raha tsy manana asa sahaza, ny maha olona sy ampy fiofanana, hoy i Dada nandritra izany. Ny Reg-TIM faritra Atsimo Atsinanana, Andriamatoa Donazy kosa dia nilaza fa: « ohatra ny tsy misy Ray amandreny zahay Président amin’izao fitondrana izao. Tapaka ny jiro, tsy mandry fahalemana ny tanàna. Miasa ny tanora tamin’ny andronao. Manantena anao zahay Président ary mitodika amin’ny vahoakan’ny faritra Atsimo Atsinanana amin’ity, mba hahay hifidy ny olona hapetraka hitantana ny firenena.» « Ao aorianao hatrany zahay Ampanjaka eto Farafangana Andriamatoa filoha Marc Ravalomanana, » hoy ny solontenan’ny Ampanjaka tao amin’ny renivohitry ny faritra Atsimo Atsinanana. Ny solontenan’ny tanora tao Farafangana koa dia nanoritra fa: « betsaka ny vitanao taty aminay Président raha tsy hiteny afa-tsy ny lalana fotsiny: 300 km ny vitanao taty nefa ianao tsy nitokana izany. Ny sasany 20 km dia efa mi-werawera. Nahazo kit scolaire tamin’ny andronao tsy nisy fanavakavahana. Tsy nataonao ambaninjavatra ny lafiny fanabeazana. Ny fambolena tsy nataonao ambaninjavatra, zany no tena ilain’ny vahoaka. Mirotsaha ianao Président hanavotra anay, vonjeo zahay Président » hoy izy. Nampahatsiahy kosa ny sekretera jeneralin’ny TIM Rina Randriamasinoro fa: « taom-pifidianana ity taona ity, mila hamafisina ny firaisankina hahazoantsika ny fandresena. Mila olona isaky ny fokontany sy ny kaominina hahafahantsika miaro ny safidintsika, » hoy Rina.