Lotoina amin’ny kajikajy politika koa ny fampianarana

Sôh’son

Raha misy olom-pirenena sarotiny amin’ny fahadiovan’ny seha-pampianarana dia tokony ho taitra avokoa tamin’ny zava-nitranga tamin’iny herinandro lasa iny. Nolotoin’ny fitondram-panjakana indray mantsy ity seha-pampianarana efa rakotry ny olana ity, tamin’ny fampidirana resaka politika. Efa tsy hita aza izay andraràna ny fitondrana amin’ny fanasàna ny sain’ny mpianatra amin’ny resaka politika amin’ny fanapahana ny fianaran’izy ireo, ka terena hanatrika lanonam-panjakana samihafa tamin’ny toerana samihafa. Nisy teto tato anatin’izao fitondrana Rajoelina izao izany.

Izao indray vao tamin’iny herinandro lasa iny, ny minisitry ny fanabeazam-pirenena mihitsy teny Andohatapenaka no nampiditra resaka politika amin’ny sehatry ny fanabeazana. Amin’izay indray, ireo mpampianatra Fram vao nampidirina ho mpiasam-panjakana no anaovana karazan’ny fanerena ambadika mba hifidy an-dRajoelina amin’ny fifidianana. Fandotoana ny seha-pampianarana tsotra izao ireny nataony ireny, izay niaraha-nandre tsara tamin’ny fampitam-baovao haino aman-jery. Manimba ny seha-pampianarana sy ny fanabeazana ny fampidirana resaka politika na dia kely fotsiny, eny na dia atao ankolaka aza ny filazana azy. Niaraha-nahita tsara ihany koa, ohatra, ny nanjo ny sehatry ny baolina kitra tamin’ny Barea, vao nidiran’ny politikan-dRajoelina.

Io resaka kajikajy politika ataon’ny olon’ny fitondrana Rajoelina io amin’ny sehatra samihafa atrehiny, toy iny lafiny fanabeazana iny, no mahatonga ny firenena ho tonga amin’izao toerana misy azy izao. Firenena sy vahoaka fadiranovana mena-mitaha amin’ny firenen-kafa no misy. Mazava ny ohatra nataon’ny Banky iraisam-pirenena ny amin’ny fampitahana ny fandrosoan’i Madagasikara miohatra amin’ny fihazakazahan’ny fandrosoan’i Rwanda tarihin’i Paul Kagame, ilay hoe: afaka 70 taona vao hahatratra amin’ny misy an’i Rwanda ankehitriny i Madagasikara. Afaka izany taona izany, tsy efa lasa lavitra dia lavitra indray ny olona? Mpitondra tsy tonga saina amin’ireny teny ireny, efa tsy hay intsony izay ilazana azy. Lotoina amin’ny resaka politika sy kajikajy politika ihazonana seza izay atao rehetra. Mazava loatra, tsy hahavanona ny firenena izany ary tsy hampisandratra azy velively. Mbola sahiran-tsaina aza ny maro amin’izay hitranga eto amin’ity firenena ity amin’ny resaka fifidianana, izay hotanterahina eto manoloana ny toe-javamisy amin’ny fikarakarana sy ny fanomanana izany.

Ity fitondrana Rajoelina ity dia mpiziriziry amin’ny heviny na dia iaraha-mahita izao aza fa hevi-diso. Ny fomba fitantanana toy izany anefa dia mitondra ny firenena mankany amin’ny fikorosy fahana, dia izao iaraha-mahita tsara sy iaraha-miaina izao ny vokany.