Fifidianana – Tokony hatao amin’ity taona ity, vonona ny CENI hoy ny filohany

Isambilo

Tokony hatao amin’ity taona ity ny fifidianana filohampirenena eto amintsika, azo lazaina ho efa vonona ho amin’izany ny CENI: vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana, hoy ny filohany Dama Andrianarisedo. Nanamafy izany ny tenany ny faran’ny herinandro teo teny amin’ny foiben-toerany Ivandry. Azo lazaina ho efa hahafahana hiatrika izany ny lisi-pifidianana, vonona ara-tsaina ho amin’izany koa ity rafitra mpikarakara sy mpanomana fifidianana ity, ny vinan’ny daty hanatanterahana izany rahateo efa navoakan’izy ireo: ny 9 novambra ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filohampirenena ary ny 20 desambra 2023 ny ho fihodinana faha-2. Na eo aza ny indro kely ara-bola, sy ny mbola tsy amoahan’ny governemanta ny didim-panjakana manaika ny mpifidy hanefa ny adidiny, azo lazaina ho vonona hisedra ny hanaovana izany fifidianana izany ny eny Alarobia. Ny mpamatsy vola ihany koa misy amin’izay ny nilaza fa hanohana ara-bola, handrotsaka ao amin’ny « basket fund », hanohanana ny fanaovana izany fifidianana izany, ny faran’ny herinandro teo no nilaza ny fahavononany ny Frantsay, heverina fa hanao izany avokoa amin’izay ireo mpiara-miombon’antoka sy mpamatsy vola hafa.

Ankoatr’izany, notontosaina ny zoma teo, tety amin’ny foiben’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena Misahana ny Fifidianana (CENI), ny famelabelarana ny valin’ny fitsirihana ny lisitry ny mpifidy (audit du fichier electoral), izay nataon’ireo manam-pahaizana malagasy avy amin’ny Antoko politika: Tiako i Madagasikara ( TIM ), sy avy amin’ny firaisamonim-pirenena: Hetsika Fampiraisana Kristiana ho an’ny Firenena (HFKF), teo anatrehan’ny Comité ad’hoc, ahitana solontenan’ny fiaraisamonimpirenena sy ny mpanao Politika, ny Birao maharitry ny CENI, sy ny Tonia mpanantanteraka.

Izao fitsirihana izao no natao, mba hisian’ny fifampitokisana ka hananana lisitry ny mpifidy azo antoka hampisy fitonian-tsaina.

Miisa 10.678.852 ny olompirenena voarakitra ao amin’ny fitahirizana ny antontan’isa eo anivon’ny CENI hatramin’ny faha 05 ny volana jona, ka 57.012 no nahitana tsy fahatomombonana mbola hitondrana fanitsiana.

Miisa 29.144 ny anarana ahiana ho niverimberina (mitovy ny laharan’ny karapanondro, anarana sy fanampiny, daty nahaterahana, ray sy reny) izay mety ho vokatry ny fifindra-monina na antony hafa, ka hitondrana fanamarihana sy fanitsiana.

Efa voarain’ny CENI avokoa ny tolo-kevitra (recommandations) samihafa avy amin’ny mpitsirika ary misy ny efa notanterahina avy hatrany ny fanitsiana, indrindra ny mahakasika ireo fomba fanamafisana ny fitahirizana ny antontan’isa ( protection et sécurisation de la base des données ). Ampahany ihany ity fitsirihana notontosaina ity, fa mbola hanara-maso ny fanatanterahana ireo sosokevitra ireo ny mpitsirika.

Nanambara ireo mpisehatra amin’ny fifidianana nanatrika ny famelabelarana, fa nanala ny ahiahin’izy ireo ny valin’ny fitsirihana izay natao.

Nofaranana teny anivon’ny Disitrika tamin’ny faha-10 ny volana jona ny lisitry ny mpifidy ary mbola haverina eny anivon’ny Fokontany hanaovan’ny olompirenena fanamarihana ary manana 20 andro ny olompirenena tsy mbola tafiditra hisoratana anarana aorian’ny fampahafantarana izany lisitra izany eny anivon’ny Fokontany.

Hisy ny fihaonana amin’ny mpanao Gazety hataon’ny CENI, hitondrana fanazavana mahakasika ny antsipiriany anio talata 13 jona amin’ny 10 ora maraina eny amin’ny foiben’ny CENI Alarobia.