Ambodimita Ambohimanarina – Lalana 100 m no vita niarahana tamin’ny depiote Todisoa

Stefa

Mitohy hatrany ny asa sosialy sy fampandrosoana ataon’ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny antoko TIM, ao amin’ny Boriboritany faha-6, Todisoa Andriamampandry, na nambarany aza fa tsy mpanao foto-drafitrasa toy ny lalana ny solombavambahoaka, fa manao lalàna. Lalana mirefy 100m indray, no vita tao AMBODIMITA Ambohimanarina, vola am-paosy madiodio avy amin’ny depiote no nanaovana azy.

Araka ny fanamarihan’ity olom-boafidy ity: lalana nalama, feno fotaka, kitoatoana tsy ahafahana nitaona vokatra sy nifamezivezy ary nampiejera vahoaka no nisy teo taloha tamin’izany lalana namboarina izany. « Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy. Manentana ny mponina mba hikolokolo sy hanaja ny fotodrafitr’asa vita, » hoy ny depiote Todisoa.