Profesora Rabesa Zafera Antoine – Nifampizara traikefa tamin’ny mpitarika ny TIM Mahajanga

Isambilo

Nifampizara traikefa tamin’ny mpitarika ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) any Mahajanga faritra Boeny omaly ny Profesora Rabesa Zafera Antoine, izay mpampianbatra amin’ny Oniversite, sady efa ministra tamin’ny fotoan’androny. Nanambara nandritra izany i Achim Kely, izay anisan’ny mpitarika ny antoko najoron’ny filoha Marc Ravalomanana any an-drenivohitry ny faritra Boeny fa: « isaorana manokana i Profesera RABESA Zafera Antoine, izay Ray aman-dreny lehibe eto Mahajanga nizara traikefa sy fampianarana hoanay androany. Nahavelom-bolo ny fihaonana izay tao anatin’ny firahalahiana tokoa. Ny tanjona iraisana dia ny fampandrosoana ity Tanindrazana malalantsika ity. » Misokatra amin’ny ankolafin-kery rehetra hatrany ny antoko TIM amin’izao fotoana, anisan’izany ireo any amin’ny « tanànan’ny voninkazo ».