Kongresim-paritra – Haka tsodrano amin’ny « Grand Sud Est » ny filoha Ravalomanana

Isambilo

Tanterahana amin’izao faran’ny herinandro izao ny kongresim-paritry ny antoko Tiako i Madagasikara any amin’ny « Grand Sud-Est », na any atsimo atsinanan’i Madagasikara iny, izay ahitana faritra 3 dia Fitovinany, Atsimo Atsinanana ary ny faritra Vatovavy. Ny « Grand Sud-Est » raha ny famaritana azy dia avy any Nosy-Varika faritra Fitovinany, tonga any Vangaindrano faritra Atsimo Atsinanana, ka hatrany Fort-Dauphin faritra Anôsy.

Anio sabotsy no hanatanterahan’ny antoko najoron’i Dada ny any Fitovinany, hatao anio any Manakara; rahampitso alahady ny any Atsimo Atsinanana, hatao any Vangaindrano ary ny alatsinainy ho avy izao ny kongresim-paritry ny TIM any Vatovavy, hatao ao Mananjary. Heverina fa haka tsodrano any amin’izany faritry ny « Grand Sud-Est » izany ihany koa ny filoha Marc Ravalomanana, mialohan’ny kongresy nasionalin’ny antoko, ary indrindra mialohan’ny fifidianana filoham-pirenena hatao eto amintsika amin’ity taona ity. Anisan’ny be mpifidy eto Madagasikara ny amin’ireo faritra ireo, ka tsy ataon’ny antoko TIM sy ny filoha Ravalomanana ambanin-javatra ny fihaonana amin’ny mpikatroka, ny mponina, ny anton’olona maro samihafa ary ireo ray aman-dreny any an-toerana.

Lalana tsy maintsy hizorana ho an’ny rehetra mangata-tsodrano hirotsaka hofidiana eto amin’ny firenena koa ny any atsimo atsinanan’ny Nosy iny. Ho tafahoana tokoa ny tia sy ny manina mandritra ny 3 andro any Manakara, Vangaindrano ary Mananjary. Ny filoha Marc Ravalomanana rahateo no filoha nampitohy tamin’ny alalan’ny arabe vita tara an’Antsiranana, mandalo ny renivohitra Antananarivo, ka hatrany Vangaindrano. Tamin’ny androny no vita tara ny RN6 Ambanja-Ambondromamy, ny RN25 Ambohimahasoa- Vohiparara, ary vita tara koa nanomboka tamin’ny nitondrany ny RN25 ihany: Irondro-Manakara hatrany Vohipeno, izay lalantany tamin’ny fotoan’androny. Arak’izany, tsy ho latsa-danja amin’ireo kongresim-paritra efa vita ny any Fitovinany, sy Atsimo Atsinanana ary Vatovavy.