Maintirano faritra Melaky – Tafajoro ny COMTIM any Andabotoka

Stefa

Tafajoro ny herinandro lasa teo ny COMTIM any amin’ny kaominina Andabotoka distrikan’i Maintirano faritra Melaky. Niatrika ny fananganana izany tany an-toerana, ny mpandrindra ny TIM Région Melaky sy ny filohan’ny DISTIM MAINTIRANO. Nisongadina nandritra ny fotoana ihany koa, fa vonona hanabe voho ny antoko ireo biraon’ny COMTIM vao najoro ireto, ary vonona hampandany ny filoha Marc Ravalomanana, filoha nasionalin’ny antoko, amin’ny fifidianana filohampirenena ho avy amin’ity taona ity. Nanentana faramparany koa izy ireo ny mponina any amin’izany toerana izany hanamarina ny anarany ao anaty lisi-pifidianana, sy hisoratra amin’izany lisitra izany ho an’ireo mbola tsy nahavita.