NY FANANGANAN-TSAINA

Matoa misy maro ireo manangan-tsaina,
Dia misy ireo hevitra tiany hampitaina,
Satria efa ambara sy tena idedahana
Fa tena misy ny fahalalahana.

Andaniny, misy ihany ireo noterena
Ny hanangana maitso sy fotsy ary mena,
Mba hoenti-maneho amin’ireo izay mitazana
Ilay hoe fitiavana ny tanindrazana.

Ankilany, iretsy tsy voarotsirotsy
Izay efa manangana ilay saina fotsy,
Satria mahatsiaro ho tsy misy mpijery
Ary tena manjonitra sy miady irery.

Tsy mana-mpitondra mba hoe iantorahana
Fa fahantrana no tena mibahana.
Antoandro, tsy manana rano antsakaina,
Hariva dia maizina mandra-maraina!

Ankoatran’ireo, misy ny efa mitrena
Ka mandrangaranga an’ilay saina mena,
Fa efa mitetika ny hanasazy
Ireo efa lazainy ho « tsy mahavita azy »!

…Ka tena mba mila mandinika ihany
Ireo antokon’olona izay iantefany,
Fa manana heviny maro izy ireny,
Indrindra ho an’ireo izay tsy avela hiteny!

TSIMIMALO (08-06-23)