Miala Rajoelina (J- 91) – Nanambany ireo depiote nanasonia ny fitsipaham-pitokisana

Andry Tsiavalona

Very hasina tanteraka ny Antenimierampirenena, izay Andrimpanjakana faharoa araka ny fitantanana ny firenena voafaritry ny Lalàmpanorenana. Ity fahefana ity tokoa no mandany ireo lalàna mifehy ny fanatanterahana ireo asa voarakitra ao amin’ireo Programam-panjakana (PGE), sy manome alàlana eo amin’ny fandaniana ireo fifanarahana ara-bola amin’ny Mpiara-miombon’Antoka ara-teknika sy ara-bola (PTF), ho fanatanterahana ireo tetikasa na fifidianana ary fanekena ny fandaniana ireo fanampiana ny Firenena eo amin’ny sehatra maro samihafa. Efa niainan’ity fahefana mpanao lalàna ity ihany koa ny tsy firaharahian’ny fahefana mpanatanteraka azy, mifamototra ny andraikitr’izy ireo, ka ny mpanaramaso sy mpanakiana ary mpanery amin’ny famitàna izay tsy tanteraka indray no miforitra eo anoloan’ny fahefana tokony ho feheziny.

Hita amin’izao fivoriana ara-potoana voalohany amin’ity taona ity izao, fa toa tsy ao amin’ny depiote intsony ny faharisihana hanatrika ny fivoriana, satria tsy mahatratra ny ampahatelony foana no tonga. Azo heverina fa noho ny fahatsapan’ny ankamaroany fa tsy manana ilay fahefana sady tsy afaka misahana ny andraikitra napetraka taminy ireo mingitrika ireo. Ny mahavariana dia ireo depiote IRD maro an’isa no tsy tonga amin’ny fivoriana, satria sorena tamin’ny fanambanian’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, ireo nanao sonia ilay fitsipaham-pitokisana, ka tsy misy dikany sy tsy hanova na inona na inona eo amin’ny tsy firaharahiana azy na tonga mivory izy na tsia.

Efa mikorontana ambony ambany ireo andrimpanjakana misy eto amintsika ankehitriny, soa ihany fa efa 91 andro (J- 91) sisa dia hiala amin’ny toerany ity filoha tsy mahay mitantam-pirenena, tsy mahalala izay tena ilain’ny vahoaka ity. Nandalo fanindroany teo amin’ny Antenimierampirenena ny Lalàna mifehy ny Harena an-kibon’ny Tany (Code Minier) nasian’ny Antenimierandoholona fanitsiana ary nolanian’ireo tonga nanatrika izany. Latsaky ny telopolo ny nandany izany lalàna izany kanefa dia tena fanaovana tsinontsinona ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana nifidianan’ny vahoaka azy ireo ity lalàna ity, satria ny vola ho sitrahany dia tsy ahafahany hampandroso ny any an-toerana nivoahan’ny harena an-kibon’ny tany akory.

Nikabary ny filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry tamin’ny fitsidiham-paritra nataony tany Maroantsetra sy Mananara Avaratra, fa hapetraka any ny faritra faha-24 ary tapaka tao amin’ny filankevitry ny minisitra, fa hanangana trano hiasana sy honenan’ny governora. Manaporofo indray izany, fa ny filohan’ny Repoblika no sady fahefana mpanatanteraka no fahefana mpanao lalàna izay midika ho fanaovana tsinontsinona ny depiote ihany koa, sady fanitsakitsahana ny lalampanorenana sy ny lalàna misy eto amin’ny firenena. Tsy governora tokoa no ao amin’ny lalampanorenana fa lehiben’ny faritra. Tsy mbola nisy tranga tahaka izay nisy tamin’ny andro tokony hihaonan’ny depiote sy ny governemanta farany teo, tao anatin’ny enimpolo taona, satria ny tokony hatahorana indray no natahotra nifanatrika, ka dia nahemotra izany fanadaharam-potoana izany. Momba ny Tetibola hasiam-panitsiana (LFR) indray dia nanaiky ny depiote maro an’isa fa marina ny tenin’ny Praiministra fa tsy voatery hasiam-panitsiana ny Tetibola Lasitra (LFI) na dia hitan’ny mpahay toekarena aza, fa betsaka ny fandaniana sy sora-bola tsy mifanaraka amin’ny zava-misy. Ireo tranga rehetra misy ao amin’ny Antenimierampirenena dia manaporofo, fa fahefana malemy sy tsy mijoro ary tsy hentitra amin’ny andraikitra napetraka aminy ny Antenimierampirenena, ka izay no hahasahian’ny fahefana mpanatanteraka ho sahy manindry azy tahaka izao. Tsy sahin’ny filohan’ny Repoblika anefa ny mandrava ity Andrimpanjakana ity, kanefa dia zony tanteraka izany, satria tsy maintsy hatao alohan’ny fifidianana Filoham-pirenena ny fifidianana solombavambahoaka raha handrava izy, ka tsy hanana ny maro an’isa intsony izy ary tsy maintsy ho mpanohitra no ho betsaka any amin’ny Faritra, ka tsy ho azo antoka ny fahalaniany. Na izany na tsy izany dia inoana, fa ireo depiote nanao sonia ilay Fitsipaham-pitokisana dia efa tsy hanohana an-dRajoelina Andry amin’ny fifidianana Filoham-pirenena.

Mivory koa ny Sendikan’ny Mpampianatra Mpikaroka sy Mpikaroka Mpampianatra nanomboka ny alakamisy teo ary nifarana omaly. Hentitra dia hentitra ny Filoha Nasionaly, fa tena tsy raharahian’izao fitondrana izao mihitsy ny Fampianarana Ambaratonga Ambony, satria misy ny tolo-dalàna narosony, mba hananan’ny Oniversite fizakantena (autonomie) kanefa tsy raharahian’ny fitondrana izany. Etsy an-kilany dia tsy nandray karama ireo mpampianatra an-tselika (vacataires) nandritra ny efatra taona kanefa dia izy ireo no miantoka ny fitoplo isan-jaton’ny fampianarana. Veliranon-dRajoelina Andry ny hanangana Oniversite isam-paritra, tsapa avy amin’ny toe-daraharaha misy eny amin’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony anefa, fa tsy laharam-pahamehana aminy ny fanabeazana ny taranaka malagasy satria ny azy sy ireo mpiaradia aminy dia any ampitan-dranomasina no mandranto fianarana. Fianarana raisina hiatrehana ny ho avy ny tranga rehetra eto amin’ny Firenena, ka izay niainana no hisafidianana izay ho tomponandrakitra mahay mitsinjo lavitra sy mahay mandanjalanja ny mety sy ny tsy mety.