EDITO 10 Jona – Seces Nasionaly – Tsy hilefitra amin’ny fitondrana manao tsinontsinona ny fampianarana ambony

Franck Razakambelo

Mandalo fotoan-tsarotra ny Anjerimanontolo sy ny toeram-pampianarana ambaratonga ambony miankina amin’ny fanjakana, sy ny foibem-pikarohana nasionaly ary manao fanahy iniana anapotika an’io sehatra io ny mpitondra fanjakana ankehitriny, satria tsy nitondra vahaolana manoloana ny fitarainan’ny Seces rehetra hatramin’izao. Io no nisongadina nandritra ny filankevi-pirenena nataon’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra tetsy amin’ny Oniversiten’ Antananarivo ny Alakamisy 08 Jona 2023 ka hatramin’ny omaly Zoma 09 Jona 2023.

Araka ny fanambarana nataon-dRamatoa Masindraza Graziella, solontenan’ny Seces nasionaly dia manome fe-potoana hatramin’ny faran’ny volana Jona 2023 ho avy izao, ho an’ ireo tompon’andraiki-panjakana voakasika ny Seces hanome valiny mahafa-po mikasika ny rijan-teny « Communication verbale conjointe» mandrafitra ny tetiandro momban’ny fandoavana ny vary mangatsiaka vokatry ny « Decret » miisa 3 nifampidinihan’ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny Ministeran’ny toekarena ary ny fiadidian’ny Primatiora. Raha tsy misy fandraisana andraikitra avy amin’ireo tompon’andraki-panjakana voalaza ireo dia miantso ny filoham-pirenena, mba hanolo an’ireo olona izay vato misakana ho an’ny fampandrosoana ny fampianarana ambony ny Seces.

Nanohy fanazavana ny mpitondra tenin’ny Seces nasionaly, fa tsy tompon’andraikitra amin’ny mety ho fikatsoan’ny Fampianarana ambony ny Seces raha toa ka mbola ataon’ny fitondram-panjakana anjorom-bala ny fitakian’ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra, ao anatin’izany ny fitsaharan’ny fampianarana nataon’ireo mpampianatra an-tselika izay misahana ny 70% ny asa eny amin’ny fampianarana ambony, noho ny tsy fandoavan’ny fitondram-panjakana ny karaman’ireto farany efa ho 4 taona misesy izay.Nanohy ny fanambarana nataony Ramatoa Graziella, fa anisan’ny mampitaraina ny Seces ny tsy fahatongavana ara-potoana ny vola fanampiana (Subvetion) ho an’ny Anjerimanontolo; ny toeram-pampianarana ambaratonga ambony miankina amin’ny fanjakana; ny foiben-toerana nasionaly ary tsy eken’ny Seces ny fakana an-keriny amin’ny fomba tsy ara-dalàna ny tany sy ireo fotodrafitr’asa ananan’ny Oniversitem-panjakana kanefa tsy misy fandraisana andraikitra ataon’ny manam-pahefana. Mampitaraina ny Seces nasionaly ny tsy famahana ny olana momba ny fisitrahan’ireo mpandraharaha andalam-pisotroan-dronono ny « Indemnité d’installation » ary misy mpandraharaha tsy mandray fisotroan-dronono efa ho 3taona misesy izay ary mahamenatra ny tsy fandraisana andraikitra ataon’ny fitondram-panjakana momba ny fahapotehan’ny trano fonenan’ny mpianatra, sy ny fahasahiranan’ireto farany rehefa handray vatsim-pianarana. Nanolotra soso-kevitra entina hanarenana ny olan’ny famatsiana solika eto Madagasikara ihany koa ny Seces, tokony hampiasaina hoy izy ireo ny vokatry ny solika mavesatra ao Tsimiroro.

Sehatra maro no potehan’izao fitondrana Rajoelina izao, fa tsy ny fampianarana ambaratonga ambony ihany, eo koa ny fampianarana amabaratonga faha-2 sy fanabeazana fototra. Mbola maro ireo mpampianatra FRAM tsy nahazo ny tambin-karamany nandritra ny volana maromaro. Vitsy ireo nahazo fifanarahana arak’asa amin’ny fitondrana ireo mpampianatra FRAM, fa tsy araky ny havoakan’ny ministera. Ohatra: amin’ny mpampianatra FRAM miisa 600 ao Ambohidratrimo, 60 mahery fotsiny no ho voaray mpiasam-panjakana. Potehiny toy izany koa ny sehatry ny fikarohana, latsaky ny 1% ny vola atokan’ny fitondrana amin’ny sehatry ny fikarohana ity eto amintsika, nefa izany no tena fototry ny fampandrosoana ny firenena.