MBOLA TSISY TOY IZAO

Mihamaizina hatrany ny tontolo izay jerena.
Maka toerana ny ratsy, potika ny firenena.
Mihamanjombona ny lanitra, toy ny novesaran-tsaona.
Mbola tsisy toy izao nandritry ny 60 taona!

Tsy mikaton-dohamalemy no miseho ho tompondaka,
Ka dia fitaka sy lainga no efa tena miorim-paka.
Ny mavoroka sy maimbo no indreo fa tafahaona.
Mbola tsisy toy izao nandritry ny 60 taona!

Tena tsisy vahaolana azo ambara ho mateza,
Fa ny hita ho mibahana dia ny fiarovan-tseza.
Malagasy tena resy no efa indreo minaonaona.
Mbola tsisy toy izao nandritry ny 60 taona!

Tsisy zavatra namiratra tamin’ « iny lalana iny »!
Fitondrana lo tanteraka, izay no misy ankehitriny.
Rangolahy hitelina azy sisa andrasana higaona.
Mbola tsisy toy izao nandritry ny 60 taona!

DADAN’i RIANA (07-06-23)