Vehivavy TIM Analamanga – Nanome fanampiana an’i Ninie Donia

Isambilo

Nanome fanampiana an’i Ninie Donia ny Vehivavy TIM Analamanga tarihan’ny filohany, Arphine Rahelisoa omaly. Izany fanampiana izany dia nalefa tamin’ny alalan’ny Mobile Money any amin’ny filohan’ny Vehivavy TIM Nosy-Be faritra Diana, Ramatoa Marie Anne.

Ny 20 mey lasa teo, nanao hetsika ho fitadiavam-bola ny Vehivavy TIM Analamanga, tetsy amin’ny Espace Dera Tsiadana hoentiny miasa, sy ho fanomanana ihany koa ny kongresy nasionalin’ny antoko TIM, hatao ny 1 jolay ho avy izao. Nandritra io fotoana io, nanao téléthon na tsipaipaika ho fanampiana an’i Ninie Donia koa ireto andriambavilanitry ny antoko Tiako i Madagasikara ireto, ka naha voaangona 300.000 Ar nandritra izany, ka io no natolotra an’i Ninie Donia izao, izay migadra tsy ara-drariny noho ny resaka politika any amin’ny fonjan’i Nosy-Be.

Araka ny nambaran’ny filohan’ny Vehivavy TIM Analamanga ihany, mbola hitohy izao tolo-tanana ataon’izy ireo ho an’i Ninie izao.